🪜Miandry anao ny dingana voalohany!
Araka ny hevitrao, inona no singa manan-danja indrindra mba hampirindra tsara ny finamanana? Azoko antoka fa maro ny ao an-tsainao amin’izao fotoana izao, fa inona amin’izany rehetra izany no tena zava-dehibe aminao?
Raha ho ahy, ny tena zava-dehibe indrindra dia ny fifampitokisana. Tsy afaka ny hanana finamanana tena marina amin’ny olona tsy itokianao ianao, tsy afaka ny hisy izany. Araka ny hitantsika omaly dia tsy ho vitantsika ny hifanao resadresaka eo am-pisotroana kafe (na sĂ´kĂ´la =) ) miaraka amin’ny olona iray hamadika anao, na hamela anao raha tojo olana ianao.Tsy maintsy hametraka aminao fanontaniana iray, somary manahirana kely aho : hatraiza no tena itokianao an’Andriamanitra?
Heverinao ve fa mety handao anao Izy amin’ny andro iray, na hiala aminao? Heverinao ve fa tena tia anao Izy? Raha mbola misy soritra tsy fahatokisana, fitaintainana na fisalasalana na dia kely aza ao am-ponao, dia tsy ho vitanao mihitsy ny hanana fifandraisana lalina amin’Andriamanitra.Jereo ny lazain’ny Baiboly hoe: “Ary Abrahama nino an’Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany ary natao hoe “Sakaizan’Andriamanitra” izy » Jakoba 2:23.Natoky tanteraka an’Andriamanitra i Abrahama, finoana tanteraka izay nitarika azy hino ny zavatra tsy mampino sy hifikitra amin’ny teny fikasana, ka tonga sakaizan’Andriamanitra. Lasa lalina tokoa ny fifandraisany Taminy, hany ka niharihary tamin’ny hafa koa izany. Izany no mahatonga ny Baiboly milaza fa sakaizan’Andriamanitra izy.
Ry namako, ny fahatokiana tanteraka no dingana voalohany amin’ny fampivelarana ny fisakaizana lalina amin’Andriamanitra. Te hanao izany dingana voalohany izany ve ianao anio ka hisafidy ny hatoky Azy ?