“Aza lazaina amin’iza na amin’iza…”

PEJY FANDRAISANA | Miracles | “Aza lazaina amin’iza na amin’iza…”

Ny fahitantsika an’Andriamanitra matetika dia Ilay Andriamanitra Mpamorona, Ilay Mpamonjy ny fiainantsika … fa impiry moa isika no nandray azy ho namana?

Te hanasa anao hanao izao zavatra izao aho : akipio ny masonao ary alaivo sary an-tsaina kely hoe mpinamana akaiky be ianao sy Andriamanitra. Azonao sary an-tsaina ve izany? Azoko antoka fa ny sary voalohany tonga ao an-tsainao dia ny fifampiresahanao amin’Andriamanitra, mifampizara izay ao am-po, angamba eo am-pisotroana kafe matsiro (na sokola mafana, raha ho ahy manokana =). Izany no ataon’ny tena mpinamana : miresaka sy mihomehy ary mifampitantara ny zava-misy, eny fa na dia ny antsipirian-javatra manokana momba ny fiainana aza, izay tsy hotantaraina amin’olon-kafa.

Tena mahafinaritra raha manana izany finamanana lalina miaraka amin’Andriamanitra izany, sa ahoana hoy ianao? Diniho izay lazain’i Jesosy ao amin’ny Baiboly : “Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.” Jaona 15:15

Tsy mihevitra antsika ho mpanompony intsony Izy, fa mitoetra ho Tompontsika hatrany. Namany isika ary manana fifandraisana manokana sy lalina Aminy. Lazainy amintsika izay rehetra ao am-pony.

Eny, ry namako, irin’Andriamanitra ny hanana finamanana tena marina miaraka aminao. Te hanambara zavatra lalina aminao Izy, raha misokatra Aminy ianao ary mizara Aminy izay rehetra ao am-ponao. Mandritry ny herinandro dia hizara aminao ny fanalahidy 7 izay hanampy anao hampitombo ny finamananao amin’Andriamanitra aho. Vonona ve ianao) ?

Ato am-poko manokana ianao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!