Fahanginana sy fisaintsainana

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Fahanginana sy fisaintsainana

Tonga soa amin’ny andron’ny fahanginana sy fisantsainana.

Alina dia nampidinana teny amin’ny hazo fijaliana Jesosy. Ny vidin’ny otantsika dia voaloa tanteraka. Tapitra ny ady, ary toa miseho hoe nandresy ny fahafatesana. Niparitaka ny mpianatra. Very ireo mpanara-dia an’i Jesosy, diso hevitra ary tsy nisy fanantenana. Nankaiza ny fanantenana amin’ity sabotsy? Nialoka ao amin’ny Ray!

Ao am-pasana ny vatan’i Jesosy, ary ambenan’ireo miaramila romana nandritry ny tontolo Sabotsy izay andro Sabata ihany koa. Rehefa tapitra ny Sabata tamin’ny 6 ora hariva dia nomanina ny vatan’i Jesosy ho alevina niaraka tamin’ireo emboka novidian’i Nikodemosy:
“Ary tonga koa Nikodemosy (ilay nankao amin’i Jesosy nony alina tamin’ny voalohany) ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato litatra. Dia noraisiny ny fatin’i Jesosy ka nofonosiny lambam-paty mbamin’ny zava-manitra” (Jaona 19:39-40).

Tiako io kisary feno fanantenana io. Nikodemosy dia mpitarika fivavahana ary tena naka risika goavana izy nanaja olona izay avy noendrikendrehana ho manota fady. Nikodemosy dia tonga mpanara-dia an’i Jesosy teny fa ankehitriny dia sahy tonga izy, tsy niafina, tsy nikajy ny lazany sy ny fiainany satria tonga saina izy fa Jesosy ilay Mesia efa niandrasana efa ela! Tena fiovana mahagaga!

Raha nitsitra tao am-pasana ny vatany dia naloan’i Jesosy Kristy ny vidin’ny ota tamin’ny nanolorany ny sorona tsara indrindra sy tsy misy kilema. Naharesy ny fahafatesana Izy, na ara-panahy na ara-batana, ary niaro ny famonjena antsika mandrakizay:
“fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin’ny nentin-drazana, fa ny rà soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;” (1 Petera 1:18-19).

Ny fanantenan’ity sabotsy ity dia avy ao amin’ny fiovan’ny fontsika! Raha toa ka toy ny tsy misy na inona na inona mitranga dia notanterahan’i Jesosy ny iraka ary nataony azo antoka ny lakilen’ny fiainana sy ny fahafatesana! Ny fiainantsika sy ny fahafatesantsika!

Very fanantenana ve ianao? Tsapanao ve fa misy zavatra ao anatinao toa maty? Mahereza! Ny tantaran’i Jesosy dia manaporofo fa ny fitiavana dia lehibe noho ny fasana ary Jesosy dia lehibe noho izay mety lalovanao ankehitriny.

Amin’ity andro fiandrasana ity dia ankalazao fa tsy miandry vasoka isika! Ho velona indray Jesosy ary ny fanantenan’izao tontolo izao dia HITSANGANA.

Amin’ity andro fiandrasana ity dia raiso ny planin’Andriamanitra ary andraso am-pientanentanana izany. Aza adino mandrakizay ny tokin’Andriamanitra avy ao amin’ny Isaia 40:31 : “Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.”

Hifikiro ny fanantenana ao amin’i Jesosy. Efa ho avy ny fitsanganana amin’ny maty!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!