🤓 Ny herin’ny fankasitrahana feno
Ny fankasitrahana dia iray amin’ireo fitaovam-piadiana mahery vaika indrindra ao amin’ny tontolon’ny aizina sy ny paikadiny.
Eny tokoa, rehefa manafotra anao amin’ny karazana fanahiana maro ny fahavalo, dia tsy zakany hoe misafidy ny hametraka izany eo an-tongotr’i Jesosy ianao.
Tsy zakany rehefa mivavaka fatratra ianao, ary rehefa manapaka hevitra ny hibaboka ny Teny fikasan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ianao … fa ny ratsy indrindra ho azy, dia rehefa misafidy ny hisaotra an’Andriamanitra ihany koa ianao, eo anivon’io toe-javatra sarotra io. Manimba azy tanteraka izany ! =)
Raha ny lojikany, dia tokony ho kivin’ny tebiteby ianao, osa, sahiran-tsaina, raiki-tahotra, be ahiahy … fa tsy feno fankasitrahana mihitsy !
Tsy fantatro raha toy izany koa ianao, fa tiako ny manapotika sy manakorontana ny planin’ny fahavalo =) Raha ny marina, dia vao mainka aho te hisaotra an’Andriamanitra amin’ireny toe-javatra ireny! =D
Tao anatin’ny andro vitsivitsy izay dia niresaka momba ny vavaka mihoa-pampana isika. Andeha hiverenana ny amin’ny zavatra hitantsika ao amin’ity andalana ity izay milaza hoe : “aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra … » (Filipiana 4 :6-7).
Tena misy hery tokoa rehefa misaotra an’Andriamanitra amin’izay hataony ianao ! Ny fankasitrahana ambara mialoha toy izany dia maneho ny finoantsika mahery vaika, izay atolontsika an’Andriamanitra. Ary tena sarobidy Aminy izany.
Kanefa, toy ny amin’ny vavaka, io fankasitrahana io dia tsy hoe “fisaorana” tsotra fa fankasitrahana mitafotafo.
Ry namako, eo amin’izay feno fankasitrahana dia tsy misy toerana ho an’ny ahiahy !
Avelao hitosaka avy amin’ny fonao ny fankasitrahana anio, ekeo ny Teny fikasan’Andriamanitra ho an’ny fiainanao ary mifikira Aminy amin’ny finoana.
Afaka manomboka misaotra an’Andriamanitra amim-pinoana ianao ny amin’izay hataony ao anatin’io toe-javatra io, sady mamela ny Hafaliany hameno anao.