⛲️ Feno vavaka !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | ⛲️ Feno vavaka !

Maniry aho mba ho afaka miady amin’izay endrika fanahiana misy eo amin’ny fiainanao ianao, amin’ny lafiny rehetra izay hisehoan’izany eo aminao.

Ny fahavalo dia te hamatotra anao sy hampijaly anao amin’ny alalan’ny fanahiana, fa Andriamanitra kosa dia maniry anao ho afaka tanteraka amin’izany!

Hitantsika omaly fa tsy misy tombony azontsika amin’ny fanahiana. Araka ny nolazain’i Jesosy hoe: « Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na dia kely monja aza? » (Lioka 12:25)

Efa nisy fotoana ve ianao rehefa mandalo olana na toe-javatra sarotra dia mandeha mivoaka maka rivotra vao maraina ary mahatsapa velombelona? Mandritra izany fotoana izany isika dia misintona rivotra madio.

Eny, mameno rivotra madio ny havokavoka isika , ary mandritry ny fotoana fohy, dia mahatsiaro maivana tanteraka : mifantoka amin’ny fankafizana an’io fotoana io isika, manavao ny ao anatintsika amin’ny alalan’io fifandraisana fohy amin’ny zavaboaary io sy amin’izay noforonin’Andriamanitra.

Jereo ny lazain’ ny ampahany amin’ny andalan-teny anio: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra » (Filipiana 4:6-7).

Ny fiainam-bavaka no rivotra madio izay ahafahantsika manavao ny tenantsika. Rehefa manomboka mivavaka amin’ny fo misokatra tanteraka hitady an’Andriamanitra isika dia mameno ny tenantsika amin’ilay rivotra madio sy avy any an-danitra izay nomanin’Andriamanitra ho antsika.

Diniho ny lazain’ity andalan-tsoratra masina ity: ary vavaka “feno” izany. Tsy vavaka fohy, tsy faniriana tsotra… tsia: vavaka mipololotra avy ao am-po, feno, marina, ary manenika ny zava-drehetra. Izany no karazana vavaka afaka manova toe-javatra!

Ry namako, aoka hamelombelona ny fiainanao ny vavaka mitafotafo, ary roahy ny fanahiana!

Mamporisika anao aho anio mba hieritreritra ny zavatra rehetra mampanahy anao, ary hisaotra an’Andriamanitra noho ny fandreseny amin’ireo lafiny ireo.

Ambarao ihany koa ny teny fikasan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao. Avelao hirotsaka ny vavaka ary hameno finoana ao am-ponao lalina! Eo ny fandresenao =)

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!