🏝Manana zava-tsarobidy ho anao Andriamanitra!
Manantena aho fa ny hafatro omaly dia nanampy anao manokana ny amin’ny fomba hahatratrarana ny tena fandresena manoloana ny zavatra manavesatra anao sy ny fakam-panahy izay manakana ny fiarahanao amin’i Jesosy.
Tamin’ny fiandohan’ny herinandro dia efa hitantsika fa te hanatanteraka asa lehibe eo amin’ny fiainanao Andriamanitra, tahaka ny nataony tamin’ireo mahery fo amin’ny finoana… Ary hitantsika koa fa noho izany, ny iray amin’ireo zavatra voalohany tokony hatao dia ny manala eo amin’ny fiainantsika ny enta-mavesatra sy ny ota rehetra izay manorotoro antsika.
Mitohy toy izao ny andininy amin’ity herinandro ity: “…ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana ny fizahan-toetra izay miandry antsika.” (Hebreo 12:1 ).
Alaivo sary an-tsaina hoe manao ahoana isika raha mihazakazaka miaraka amin’ny akanjo be feno vato ao am-paosintsika ? Tsy ho vita izany ! Afaka metatra vitsivitsy monja, dia ho reraka isika noho ireo vesatra sy ny hafanana mahamay.
Izany no mahatonga ny mpihazakazaka matihanina manao akanjo fohy sy maivana. Ary izany koa no mahatonga ahy sy ianao tokony hanaisotra ireo enta-mavesatra sy fahotana izay efa noresahintsika omaly: mba tena hihazakazaka ho an’i Jesosy isika.
Ny tena marina, mahafinaritra ahy manokana eo amin’ilay andalana izay manasa antsika hihazakazaka. Te hanafaingana ny fiainanao Andriamanitra, ary iriny ny hahafahanao hihazakazaka amin’ny fifandraisanao Aminy ! Izy no Andriamanitra manome hery anao, mba tsy handadizanao amin’ny tany, na hamela anao ho faty, fa mba hahafahanao mihazakazaka amim-pahavitrihana, isan’andro.
Eny, ny faharetana no tena zava-dehibe eto. Andriamanitra dia maka ny fotoanany hiasa eo amin’ny fiainantsika, satria ny zavatra sasany dia tsy azo ampianarina afa-tsy amin’ny alalan’ny traikefa, rehefa mandeha ny fotoana.
Afaka mahita fifandraisana mahafinaritra isika : ny fihazakazahana miaraka amin’ny faharetana. Izany hoe mandroso miaraka amin’Andriamanitra, ary miaraka amin’izay koa miatrika ny tolona ety amin’izao tontolo izao. Ary koa ny faniriana te hahalala bebe kokoa ny momba Azy, ary miaraka amin’izay ihany koa, dia ny fiandrasana amim-paharetana Azy hanohy ny asany eo amin’ny fiainantsika.
Mihazakazaha, ry namako, ary ataovy amin’ny faharetana izany ! Andriamanitra dia momba anao amin’ny dingana rehetra, ary efa nanomana asa sarobidy indrindra ho anao Izy.