đź—‘ Afaho amin’ny fakam-panahy ny tenanao!
Tsy andriko ny hanohy ity andiany manaraka ity miaraka aminao, satria resy lahatra aho fa hanao zava-tsarobidy eo amin’ny fiainanao Andriamanitra amin’ity herinandro ity !
Hitantsika omaly ny tapany voalohany amin’ny andininy, izay miresaka momba ireo mahery fo amin’ny finoana, sy ny fomba hijoroan’izy ireo vavolombelona ny amin’izay tian’Andriamanitra hatao eo amin’ny fiainantsika ankehitriny.
Mampahery antsika ity andalan-teny ity amin’ny filazana fa satria efa hitantsika ny zava-bitan’Andriamanitra teo amin’ny fiainan’izy ireo, dia aoka isika “hanaisotra ny enta-mavesatra rehetra sy ny ota izay manarona antsika…” ( Hebreo 12:1 ). Izy ireo dia vavolombelon’izay tian’Andriamanitra hatao eo amin’ny fiainantsika.
Izany no mahatonga antsika tsy afaka manao afa-tsy izay tiantsika ihany : tsy afaka manaraka an’Andriamanitra isika no sady manohy hatrany ireo fahotana izay mahalavo antsika, na hijanona ao anatin’ny toe-javatra tsy ankasitrahan’Andriamanitra.
Milaza ny Baiboly fa “Andriamanitsika dia afo mandevona.” (Hebreo 12:29). Tsy afaka ny hiara-hiaina Aminy tsy fidiny isika . Raha te hiditra amin’io refin’ny finoana sy ny fahagagana io isika, dia tsy maintsy avelantsika handevona ny fahalotoantsika rehetra ny Afony.
Ary manomboka amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra izany. Izany no mahatonga ity andalan-tsoratra masina ity haneho amintsika ny dingana voalohany tokony hatao, mba hidirana amin’izany fiainana feno finoana sy fahagagana izany: “ARIANTSIKA” ny enta-mavesatra rehetra sy ny fahotana izay mandrakotra antsika.
Mety mahatsapa ianao fa tsy ho vitanao ny hanala ireo vato izay manavesatra anao isan’andro (olana arak’asa, trosa, fifandraisana sarotra, sns.), na koa mahatsapa ianao fa andevon’ny fahotana, izay tsy nampahomby anao nandritry ny taona maro.
Raha izany no izy dia te hanampy anao aho anio ary hampiseho aminao fa afaka mandresy ireo zavatra rehetra ireo ianao. Eny, afaka miaina fandresena ianao, manomboka izao.
Ry namako, eo an-tananao ny fandresena, efa nomen’i Jesosy anao izany!