👀 Meteza ho vavolombelon’ny fahagagany
Mananatena aho fa omaly, dia nankamamy ny tontolo andronao ianao, ary ny fanirinao handroso amin’izay rehetra niantson’Andriamanitra hiainanao dia miredareda hatrany hatrany ao anatinao.
Ny tapany voalohany ao amin’ny andalana izay nolalinintsika omaly dia milaza hoe : “Koa amin’izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona …” (Hebreo 12:1).
Tsara ny manamarika fa ny fiandohan’io toko io dia manomboka amin’ny teny, maneho fa tohiny izy io, vokatr’izay efa nohazavaina tao amin’ny toko teo aloha.
Eny tokoa, ilay toko teo aloha dia ilay toko fanta-dazan’ny Hebreo 11, izay miresaka momba ireo maherin’ny finoana.
Ao amin’io toko io, ny mpanoratra dia miresaka ny zava-mahatalanjona izay nataon’Andriamanitra tamin’ny fiainan’olona toa an’i Abrahama, Mosesy, Elia, sy ireo hafa maro, izay tena ohatry ny finoana sy ohatry ny fanompoana atao amin’Andriamanitra.
Izy rehetra ireo dia nanapa-kevitra ny hanaraka an’Andriamanitra na dia nifanohitra tamin’izany aza ny zava-drehetra. Vokatry ny finoana nananan’izy ireo dia, afaka niaina fahagagana sy asan’Andriamanitra maro teo amin’ny fiainany izy rehetra ireo, tamin’ny fomba mahagaga.
Ilay “Koa amin’izany” dia rohy mampifandray an’izy ireo amintsika. Eny, izy rehetra ireo no vavolombelon’ny hery sy ny fitiavan’Andriamanitra. Ary, vavolombelon’izay tian’Andriamanitra sy afaka ataony eo amin’ny fiainantsika.
Ry namako, raha niaraka tamin’ireo maherin’ny finoana Andriamanitra tany amin’ny lasa, dia miaraka aminao koa Izy ! Io Andriamanitra io ihany, izay nanao fahagagana lehibe teo amin’ny fiainan’izy ireo, dia te hanao fahagagana lehibe eo amin’ny fiainanao ihany koa !
- Te hanokatra ny ranomasina Mena rehetra izay manakana anao tsy handroso Izy.
- Te ho famatsiana mitafotafo ho anao Izy.
- Te hampitsaoka ny haizina izay manohitra anao Izy.
Anio, mitsangà na amin’ny finoana amin’ny anaran’i Jesosy, ary aza adino fa maherin’ny finoana ianao. Miantso anao ho amin’izany Andriamanitra !
Ato am-poko sy ao amin’ny tonom-bavako ianao. Manasa anao aho, hiaraka hivavaka amiko.