🙌🏻 Afaka miaina feno !
Mino sy manantena aho fa niasa teo amin’ny fiainanao Andriamanitra izay andro lasa izay, amin’ny alalan’ny ity andian-kafatra ity, sy amin’ny alalan’ny toro-hevitra samihafa, hevitra sy vavaka izay nozaraiko taminao.
Tiako ho faranana io andiany io amin’ny firesahana momba ilay tahotra lehibe izay mamatotra antsika olombelona, ary manakana antsika indraindray tsy hanatanteraka ny drafitra sy ny nofy izay apetrak’Andriamanitra ao am-pontsika : tahotr’izay mety hanjo antsika.
Ny Baiboly milaza fa Jesosy dia tonga tety an-tany, tonga olombelona ary, maty teo amin’ny hazo fijaliana, efa noravany ilay fahavalo, “ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.” (Hebreo 2:15) .
Impiry impiry moa ny tahotra no mamatotra antsika, tsy mamela antsika hiaina feno ny fiainantsika ! Ny tahotra ny fahafatesana indrindra indrindra, na koa izay mety hanjo antsika, raha toa ka manapa-kevitra ny hanao ny dingana sasany isika, izay mamatotra antsika matetika ary manakana antsika tsy hahatanteraka izay tanjon’Andriamanitra ho antsika.
Jereo ny tenenin’i Jesosy : “Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.” (Matio 16:25).
Rehefa manome lanja loatra ny fanatsarana ny endrika ivelantsika isika, na miaina ao anaty tahotra, na mahita fialan-tsiny lava, na tsy mahay manararaotra ny fotoana, na ihany koa avelantsika mandeha eny ny fotoana, dia isika ihany, amin’ny farany no mahatsapa fahatezerana amin’ny tenantsika sy amin’ny fiainantsika.
Rehefa vonona handray fanapahan-kevitra amin- kerim-po, tarihin’ny Fanahy Masina, dia mety tafiditra ao anatina toe-javatra manahirana na koa mahafinaritra ihany, miala amin’ny fahazarana, sns. Kanefa dia tena ho feno fifaliana isika fa nanao safidy tsara sy feno ny fiainany satria nankato Azy isika, ary manana herim-po ny hanaraka Azy sy hanao ny sitrapony !
Tojo io olana io daholo isika eo amin’ny fiainantsika, ary amin’ny farany dia tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra amin’izay ho atao.
Mety ihany koa, hoe manaraka ny lalan’ Andriamanitra ianao, eo amin’ny lafin-javatra maro eo amin’ny fiainanao. Kanefa, amin’ny lafiny hafa, mety mbola matahotra ianao handray fanapahan-kevitra amina safidy izay efa hainao, ao am-ponao, fa tian’Andriamanitra ho tanterahinao.
Raha izay no zava-misy, dia te haka minitra vitsivitsy miaraka aminao aho mba hisainana ny amin’ny lafin-javatra rehetra izay tena hisian’ny tahotra manakana anao tsy hiaina feno ny sitrapon’Andriamanitra. Afaka fantarinao mazava tsirairay ve izy ireo ? Ho ahy manokana, dia mahita sasantsasany amin’izy ireo aho, amin’izao fotoana izao, satria tonga ato an-tsaiko izany.
Te hampahery anao aho amin’izao fotoana izao, amin’ny finoana, mba hametraka azy ireo eo amin’Andriamanitra, ary hangataka Aminy fahendrena mba hahafahanao manomboka mandroso amim-pahasahina mavitrika, ary hiaina ny fandresen ‘Andriamanitra.
Ry namako, miandry anao ny fandresen ‘Andriamanitra, toy izay ihany koa, ny fiainana feno sy afaka ao Aminy !
Mivavaha miaraka amiko, te hivavaka manokana aho mba ho afaka tanteraka amin’ny karazana endrika fampitahorana ianao, ary manomboka anio, mba hampamiratra tsy misy fanahiana ny fahazavan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao.
Ao amin’ny tonom-bavako sy ao am-poko ianao !