📈 Ny 95% dia mamaly tsara !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 📈 Ny 95% dia mamaly tsara !

Anio, tiako ibaribary aminao ny momban’ny fampitahorana izay avy amin’ny olona hafa. Tsy aiko ny momba anao, fa izaho dia matetika mahatsapa ny fampitahorana avy amin’ireo manodidina ahy.

Ireo izay manana toetra mandratra na koa tena vonona ny amin’izany. Ny olona manam-pahefana, toy ny lehiben’ny toeram-piasana, ny mpitandro filaminana, sns.

Ireo olona izay manan-danja eo amin’ny fiainako ihany koa, satria manahy izay mety ho eritreretin’izy ireo ny amiko aho. Ireo olona eo manodidina, izay tsy sahiko resahina momba an’i Jesosy noho ny amin’ny fanahiako hoe hiomehy ahy izy ireo avy eo.

Ary tena lava ny lisitra. Miankina amin’ny toetranao sy ny maha izy anao, no mety hahatonga anao hanana fironana misimisy kokoa na kelikely kokoa, hiezaka hanao izay hitiavan’olona anao… ary izany dia miankina amin’ny tahan’ny tahotra sy ny tsy fahatokisan-tena izay ao aminao.

Te hampahery anao aho mba hisaintsaina ireto fanontaniana ireto : inona ao amin’ireo olona ireo no mampatahotra anao ? Maninona ianao no matahotra azy ireo ? Inona ilay mampatahotra ?

Ny ankamaroan’ny tahotra ao anatintsika dia mifandray amin’ny lainga. Mino izany isika satria mifandray amin’ny zavatra ratsy izay efa niainantsika tany aloha izany, na koa mifandray amina sarisary ratsy izay napetraky ny fahavalo tao amin’ny fanahintsika.

Avelao aho hanome ohatra iray ho anao : te hiresaka ny finoana an’Andriamanitra amin’ny manodidina ianao, kanefa matahotra ny ho lavina. Mieritreritra ianao hoe ho lazain’ny olona fa adala, hoe ho lasa hafahafa ilay olona, na hoe ho tohina, na hiteny ratsy anao mihitsy aza.

Ny tena marina, sarisary ao amin’ny fanahinao izany, sary an-tsaina izay lainga napetraky ny fahavalo tao aminao izay manakana anao … ny marina nefa matetika dia tsy mitovy velively amin’izany akory.

Araka ny traikefa ananako dia, afaka miteny anao aho hoe 95% an’ny olona dia mamaly tsara manoloana izany. Maro aza no tena ho feno fankasitrahana, ary ny sasany ihany koa dia tena liana, ary misokatra amin’ny famelabelaran-kevitra.

Ary raha toa, indray andro any, hisy olona ho tezitra mafy, na hiteny ratsy anao, araho ny ohatra omen’ny Baiboly, izay mampahery antsika : “ka tsy ho azon’ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin’inona na amin’inona” (Filipiana 1:28) . Andriamanitra koa dia miasa ao amin’ireny olona ireny, na dia toa tsy izany aza ny zava-misy ! Tsy afaka hanaiky ho sakatsakanan’ireny isika …

Ry namako, tonga ny fotoana hanafahana anao amin’ny sarintsary sy lainga izay mampatahotra sy manakana anao tsy handroso ! Mahereza sy mahatanjaha.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!