😰 Matahotra anao ny fahavalo!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 😰 Matahotra anao ny fahavalo!

Mbola hotohizantsika hatrany ny fijerena ireo paikady ampiasain’ilay ratsy mba hampatahotra antsika. Ary anio dia hamakafaka ny iray amin’ireo tetika tian’ny fahavalo isika : ny fahakiviana.
Mifanampy amin’ny lainga, ny fahakiviana no iray amin’ireo baomba lehibe indrindra ampiasain’ny fahavalo hanakanana antsika tsy handroso. Ny faherezana no mahatonga antsika handroso, zavatra mety hitranga ny hoe mijanona tsy nandroso intsony isika ary miala an-daharana .
Inona no paikady ampiasain’ny fahavalo hanakiviana antsika? Araka ny hitantsika omaly, dia miezaka mampino antsika lainga izy amin’ny alalan’ny eritreritsika : maneso antsika, manambany antsika, manakorotana antsika, mampisalasala antsika ny amin’Andriamanitra, mampino antsika fa tsy misy vidiny isika
 manafika antsika amin’ny lainga maro samihafa izy !
Fa ambonin’izany rehetra izany dia miezaka ny mandrahona antsika koa izy : mampieritreritra antsika izay mety ho vokany raha manapa-kevitra ny hanao dingana amin’ny finoana isika, mampifantoka ny masontsika amin’izay ho fiantraikan’ny fifandraisantsika amin’ny hafa, izay mety ho fitsaran’ny hafa antsika
 Mety efa nisy fotoana ianao nieritreritra ny amin’ny namana izay mety hivadika aminao raha mandray fanapahan-kevitra tsy tiany ianao. Ary tena mitondra tahotra ho anao izany !
Saingy misy hevi-dehibe iray tiako ho azona o: Nahoana araka ny eritreritrao no miezaka mafy ny fahavalo hanakivy, hanakorontana ary hanakana anao ? Satria matahotra anao izy, ary matahotra ny zavatra mety vitanao.
Hazavain’ny Baiboly amintsika fa nanapa-kevitra ny hanorina indray ny tanànan’i Jerosalema sy ny manda i Nehemia sy ny vahoakan’ny Israely, taorian’ny sesitany tany Babylona. Nanohitra mafy azy ireo tamin’ny fomba rehetra ny vahoaka nanodidina azy, anisan’izany ny fahazarana hamotika ny herin-tsaina, tamin’ny filazana hoe: “ho kivy amin’ny asany izy ka tsy hahatontosa.” (Nehemia 6:9).
Kanefa, na dia teo aza ny teti-dratsy rehetra sy ny hevitra ary ny fampitahorana rehetra nataony, tamin’ny farany dia voaorin’ny vahoaka indray ny mandan’i Jerosalema, ary ny Baiboly dia milaza fa “rehefa ren’ny fahavalonay tamin’ny firenena manodidina rehetra izany, dia raiki-tahotra ry zareo sady nahatsapa ny maha tsinotsinona azy..” ( Nehemia 6:16 ).
Eny, ry namako, matahotra anao ny fahavalo ! Fantany fa zanak’Andriamanitra ianao, ary fantany ny fahefana sy fahasoavana nomen’Andriamanitra anao
 ary matetika, tsara lavitra noho isika aza izany! =)
Izany indrindra no antony iezahany hanakana ny lalanao amin’ny lainga sy ny tahotra samihafa, mba tsy ho fantatrao ny maha-izy anao ao amin’i Kristy. Ary ambonin’izany rehetra izany, mba tsy ho tsapanao ny drafitra nomanin’Andriamanitra ho anao.
Mety efa an-taonany maro no nampiasain’ny fahavalo hanakanana antsika io tetika io, kanefa manomboka izao dia tsy izany intsony ! Anio no andro hifohazana amin-kery, ary handroso, tsy ho voasariky ny fanelingelenany ianao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!