đźš« Tsy mandroso ve ny fiainanao ?
Hamarana ity andiany ity isika amin’ny firesahana momba ny fiainana nampanantenain’Andriamanitra anao.
Hoy i Jesosy ao amin’ilay andininy nosaintsainintsika nandritra ny herinandro : “Izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao aminy, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.” ( Jaona 7:38 ).
Tiako ny sarin’ny riaka mikoriana eny an-tsisin’ny tendrombohitra, izay mikoriana ary midona mahery amin’ny manda ! Rano feno aina ireo.
Nandefa hafatra ho an’ny Israelita Andriamanitra tamin’ny andron’i Jeremia mpaminany. Hoy Izy taminy: “Fa efa nanota roa heny ny oloko: Efa nahafoy Ahy, izay loharanon’aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany, dia lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano.” (Jeremia 2:1 ).
Amin’ny maha-olombelona antsika, dia manana fironana hitady fiarovana isika : amin’ny fanamboarantsika manokana fitehirizan-drano izay ahafahantsika mitahiry ny ranontsika, ka tsy mila miantehitra amin’ilay tena Loharano.
Saingy misy vokadratsy maromaro aterak’izany : ny voalohany dia ny rano mijanona ela loatra dia lasa rano mihandrona. Ary ny faharoa dia ny famorian-drano izay ametrahantsika ny fitokiantsika dia mety ho vaky, ka mety ho very miaraka amin’izay ny zavatra notehirizintsika tao.
Izany indrindra no nitranga tamin’ny zanak’Israely. Nataon’ireo an-jorom-bala Andriamanitra, ary naleony nanaraka ny lalany manokana, ny fikasany manokana, toy izay niaina tamin’ny fiainana tanteraka tao amin’Andriamanitra.
Ry namako, aza manao fahadisoana toy izany koa ! Anio dia te hameno anao ny Fiainany Andriamanitra amin’ny alalan’ny riakan’ny rano velony, izay manavao sy mamelombelona anao isa-maraina.
Amin’izao anio izao, apetraho eo an-tongony ny “famorian-dranonao” rehetra, ny fiezahanao amin’ny maha olombelona rehetra hanao zavatra tsy misy Azy, ary soloy izany amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina amin’ny lafim-piainanao rehetra. Ho feno voninahitra sy ho velona kokoa, ary tsy misy fetra ny vokatr’izany.
Miandry anao Andriamanitra mba hiaina fiainana feno fitahiana sy fahasambarana.
Punchline : Aza mahafoy an’Andriamanitra mandrakizay