🏝 Diboky ny Loharanon’Andriamanitra ianao !
Manantena aho fa mahafinaritra ny tontolo andronao, na hiaina tontolo andro mahafinaritra ianao, izay hahatsapanao ny fitiavan’Andriamanitra mikoriana toy ny renirano manondraka ny fiainanao.
Andeha isika hanohy ny lohahevitra amin’ity herinandro ity, izay nilazan’i Jesosy hoe: “Izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao an-tratrany, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.” (Jaona 7:38).
Anio aho dia te hisarika ny sainao indray amin’ny teny hoe « RENIRANO » amin’ity andalana ity.
Jereo ny tenin’i Jesosy eto : Tsy vitan’ny hoe mikoriana avy ao aminao ny onin’ny rano velona iray, fa mampanantena koa Izy fa hisy “renirano” maro hiboiboika avy ao anatinao.
Whaouh! Ny asa ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao dia lehibe sy mahery ka tsy voafetra amin’ny lafiny iray amin’ny fiainanao fotsiny izany.
Tsy mampanantena hitahy anao amin’ny lafiny ara-panahy fotsiny Andriamanitra. Tsy milaza Izy fa mila mikatsaka irery ianao amin’ny lafiny ara-bola, amin’ny lafin’ny asa ary amin’ny lafin’ny fifandraisana.
Tsia! Tsy manao toy izany mihitsy Izy, satria tian’Andriamanitra ny momba antsika rehetra. Noho izany antony izany no ampanantenainy anao ny onin’ny rano velona, mba hikoriana amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainanao ny fitahiany.
Anio dia te hamporisika anao aho hanao dingana iray : eritrereto vetivety ireo lafin-javatra manan-danja indrindra amin’ny fiainanao, ary ambonin’ny zava-drehetra, ireo izay mety iatrehanao olana.
Alaivo sary an-tsaina amin’izay ny fomba ahafahan’ny onin’ny rano velona mikoriana ao anatinao lalina, avy amin’ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, mba hahatongavan’ny Fitahiany eo amin’ireto lafim-piainanao tsirairay ireto. Andriamanitra dia mikasika azy rehetra ary mamelona azy ireo amin’ny Fanatrehany :
· Ny volanao.
· Ny fifandraisanao amin’ny zanakao.
· Ny tokantranonao.
· Ny fifandraisanao amin’Andriamanitra.
· Ny tetikasanao, sns.
Mikasika sy mitahy ireo lafiny rehetra ireo Andriamanitra, amin’ny onin’ny Fitahiany. Misaora Azy noho ny amin’ izany rehetra izany miaraka amiko, avereno Aminy, amin’ny fonao rehetra, ny Voninahitra.