🌊 Miboiboika mahery ny Loharanony !
Manantena aho fa ity lohahevitra ity dia hanampy anao hahatsapa bebe kokoa ny Fanatrehan’Andriamanitra amin’ny fomba mivantana kokoa, ary hahatsapanao fa mameno anao hatrany Izy.
Te hanasa anao aho hanohy hijery ny andininy izay nilazan’i Jesosy hoe: “Izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona hiboiboika avy ao an-tratrany, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.” ( Jaona 7:38 ).
Anio aho dia te hifantoka amin’ny teny hoe « MIHAZAKAZAKA ».
Omaly isika dia niresaka momba ny onin’ny rano velona izay tian’Andriamanitra havoaka ao anatinao. Ahoana raha miato kely ianao ary misaina izany vetivety ? Endrey ny hatsaran’ny sary !
Ny tena mahafinaritra ahy indrindra anatin’izany dia tsy mba rano mitete kely fotsiny izy io, toy ny rano mitsika tsikelikely amin’ny vatolampy, na any anaty lava-bato. Tsia!
Ny resahin’i Jesosy eto dia loharano miboiboika be, ary miboiboika amin-kery. Jereo koa ilay nolazain’i Jesosy hoe: “Fa na iza na iza no misotro ny rano izay omeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay, ary ny rano izay omeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.” ( Jaona 4:14 ).
Ity famaritana ity dia tena mahafinaritra tokoa! Loharano velona sy mahery izy io. Miboiboika amin-kery izy, ary mikoriana amin-kery. Toy ny rano mikoriana mafy amin’ny renirano ka raha manakaiky ny morony ianao dia mety ho lena tanteraka! Raha efa tany amin’ny faritr’Itasy ianao dia mahalala tsara ilay toerana be mpitsidika hoe: “Chute de la Lily”…toy ireny ny endrika afaka hanehoana ny sary eto: loharano tsy mety ritra, miboiboika be. sns…Tsara e?
Izany no fiainana nomaniny ho anao: fiainana feno tanjaka, feno hafainganam-pandeha ary hery… Fiainana feno ny Fanahiny sy ny Fanatrehany ka miboiboika ary manjary tonga fitahiana ho an’ny hafa.
Aza mionona amin’ny kely ianao: Anio, ireo loharanon’ny rano velona ireo dia efa vonona hiboiboika avy ao am-ponao.
Maniry aho ny mba ahafahanao manao ity fampiharana ity ety am-pamaranana : mandritra ny tontolo andro dia tazony ao an-tsainao ny sarin’ny renirano velona, toy ny loharano mahery. Tazony ao anatinao io sary io. Amin’ny zavatra rehetra ataonao dia tsarovy io sary io ary angataho Andriamanitra mba hampiboiboika ny onin-drano velony ao anatin’ny toe-javatra rehetra mitranga aminao ankehitriny.
Fahazavana ho an’izao tontolo izao ianao, loharanom-pitahiana!