⛲️ Fitahiana mitobaka … !
Ao anatin’ny andalan-tsoratra masina izay natombotsika nianarana tamin’ity herinandro ity, Jesosy dia niteny hoe : “Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.” (Jaona 7:38).
Efa hitantsika, andro maromaro teo fa ny finoantsika dia toy ny fantsona izay manokatra ny loharanon-drano velon’ny fiainantsika. Hitantsika ihany koa fa ny Tenin’Andriamanitra dia sakafo tena matsiro izay mamoky hatrany amin’ny aty lalintsika.
Anio, te hanampy anao aho handinika ilay andininy milaza hoe : “ avy ao ANATY…”.
Isika dia manana fahazarana miaina ny zavatra ety ivelany ary tia fotoana mahafinaritra isika, toy ny mandeha miala sasatra, misakafo amin’ny hôtely fisakafoana, mitsangatsangana amin’ny fodian’ny masoandro, miantsena, mijanona an-trano mijery andian-tantara, miresaka amin’ny namana… Tsy misy farany ny lisitra ! =)
Fitahiana tokoa no ahafahantsika manararaotra izany rehetra izany ! Omen’Andriamanitra antsika izany, ary mbola te hampitombo izany rehetra izany eo amin’ny fiainanao Izy.
Tiako ihany anefa ny manamarika fa ireny fahafinaretana ivelany ireny dia miankina foana amin’ny izay ao anatintsika. Raha ny marina dia tsy afaka manararaotra feno izany isika raha toa ka ny fontsika tsy feno voalohany, indrindra an’Andriamanitra.
Eny, noharina isika mba hiaina ny zavatra avy ao anaty mankaty ivelany, fa tsy hoe avy aty ivelany mankany anaty. Izany no antony mahatonga an’i Jesosy mila ny loharanon’aina velona mikoriana ao am-ponao, amin’ity andro anio ity, tiany mba :
- Ho tena fihaonanao amin’ny lanitra ny fotoam-bavakao.
- Ny famakinao ny Baiboly no hameno anao, hatrany anatinao lalina any.
- Ny finoana ho tena mafy, tena izy, ka hitarika ny dianao rehetra.
Tian’Andriamanitra hitobaka avy ao anatiny sy ety ivelany ianao ! Efa nanomana fiainana tena ampy ho anao manokana Izy, amin’ny lafiny rehetra, satria tiany mihoatra noho izay mety ho takatry ny sainao ianao.
Te hanasa anao aho hiaino ny fotoana mahafinaritry ny fiderana, ary, avy eo, hiaraka hivavaka amiko.