đ„Mivokisa aminâny mofonâny lanitra !
Omaly isika niaraka naka fotoana nahafinaritra, izay nahafahantsika nisafidy ny âhanokatra ny fantsonânyâ loharanonâny fiainantsika ! =)
Anio, te hiresaka aminao momba ny TeninâAndriamanitra aho. Ao aminâny andalana izay natomboka nofakafakaina omaly, Jesosy tenany mihitsy no mandray ohatra ny tenany rehefa nilaza hoe : â Izay mino Ahy,âŠ, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.â (Jaona 7:38).
Jereo anie izay ampanantenainâny Salamo 1 ho anâizay : âFa ny lalĂ n’i Jehovah no sitrany; eny ny lalĂ ny no saintsaininy andro aman’alina. Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron’ny rano velona izy, izay mamoa amin’ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.â (Salamo 1:2-3). Fampanantenana tena mahafinaritra izany !
Oviana izao ianao no nanandrana sakafo tena matsiro ? Eritrereto vetivety anie e. Mmmhhh⊠Tsy aiko ianao, fa raha izaho aloha, dia mahatsiaro sakafo matsiro toy ny paty italianina⊠ary mahatonga ny hanoanako izany ! đ
Rehefa misy sakafo mafilotra dia tena oanina hatraminâny farany. Satry aza izany fotoana izany hitohy foana hatrany ! =)
Dia tahaka izany indrindra ny TeninâAndriamanitra ho anâny fanahy: sakafo tena matsiro ! Efa niaina izany ve ianao hoe, nanomboka namaky andalana vitsivitsy tao aminâny Baiboly, fa noho ny avy eo , dia tsapanao hoe afaka mijanona ora maro eo ianao mamaky azireo, mamakafaka, ary mameno ny fanahinao aminâireo fampanantenany sarobidy ?
Raha mbola tsy niaina izany ianao , dia mety hoe satria tsy mbola noraisinao ho toy ny sakafo matsiro ny Baiboly. Ho anao, mety hoe, aroso eo aminao indray ireny legioma izay tsy tianao nohanina omaly hariva⊠toy ny hoe adidy tsy maintsy atao ? Raha toy izay ny fandraisanao azy, dia te hanampy anao aho mba ahafahanao mahita ny tsironâny Soratra masina !
Sokafy ny Baibolinao ao aminâny Filazantsara, na ny Salamo, na aminâizay tianao. Dia avelao Andriamanitra hameno ny fanahinao aminâny teninâAndriamanitra sarobidy ! Ny Salamo 1 dia manome toky antsika fa rehefa mahazo tsirony aminâny Soratra masina ka mandinika izany isika dia :
- Hisotro aminâ ny rano velona mikoriana isika.
- Hamokatra ny fiainantsika.
- Ho voatazontsika hatrany izany hatsiatsiaka izany.
- Ary na inona ataontsika dia hiroborobo izany !
Waouh ! Inona indray no tadiavinao mihoatra izany ary ? =)