🥰 Mino an’i Jesosy ve ianao ?
Anio aho dia tena faly mahita anao indray, sy hizara minitra vitsy miaraka aminao koa.
Hiaraka hisaintsaina misimisy ireo tenin’i Jesosy izay hitantsika omaly isika : “Izay mino Ahy, dia hisy onin’ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ny Soratra Masina.” (Jaona 7.38).
Ny finoana dia fantsona izay manokatra ho amin’ny loharano velona tsara. Satria milaza ny andinin-tsoratra masina hoe : “Izay mino Ahy….”
Te hametraka fanontaniana aminao aho ry namako : mino ahy ve ianao ? Resy lahatra aho fa mino ny fisiako ianao : fantatrao hoe misy aho, satria isan’andro ianao dia mandray mailaka avy amiko =)
Fantatrao tsara ny tiako hiaviana e ? Ny tena marina, ny fanontaniako dia hoe : matoky ahy ve ianao ? Mino ve ianao fa tena izay lazaiko aho ?
Anio ny fanahinao dia mila mamaly ity fanontaniana ity : Mino an’i Jesosy marina ve ianao ? Mino ve ianao fa tena izay lazainy marina Izy ? Matoky ny Teny Fampanantenany ve ianao ?
Raha izany no izy dia miandry anao ny loharano velona. Mety mahatsiaro tahaka ny any an-tany efitra ianao, fa anio ny andro izay hahafahanao manokatra ny fantson’ny finoana.
Adinoy vetivety ny tany efitra na ny olana manodidina anao. Avia, akipio kely ny maso dia alaivo sary an-tsaina hoe hitanao ny Lanitra, ao amin’ilay toerana antsoiko hoe Zaridainan’ny Fanatrehany…. Ary ao, miaraka mandeha ianareo, dia mitsiky aminao eo akaikinao eo mihitsy Jesosy.
Ao amin’io toerana sarobidy io, manomboha misaotra Azy ny amin’ny zavatra rehetra nataony teo amin’ny fiainanao. Misy fotoana manokana tadidinao ve ? Ataovy mazava tsara : hisaory Azy ny an-tsipirihany rehetra, ny amin’ny zavatra anananao, ny amin’ny trangan-javatra izay nanampiany anao teo amin’ny fiainanao.
Manomboha mihevitra ny famonjena, sy ny amin’ny fahasambarana rehefa miaina miaraka Aminy mandrakizay any an-danitra….
Henonao ve ny fifaliana izay manomboka mitobaka ao am-ponao ? Manomboka misokatra ny fantsona izay !
Ato am-poko ianao,