đ Izay tsy hitanâny olona, na renyâŚ
Karazanâolona manana toetra tia karokaroka ve ianao ? Izaho manokana, dia tia ny fitiavanâi Daniela mahafantatra zavatraâŚ
Ao anatinâny bokinâi Daniela, rehefa avy nandray ilay fahitana lehibe farany izy, dia, nisy fotoana, nanatona ny iray taminâireo niseho taminy ary nanontany azy hoe momba ny inona izany.
Azonao an-tsaina ve ? Nametraka fanontaniana tsy nisy fanahiana toy ny hoe manontany lera aminâny olona eny an-dalambe izy =)
Fotoana hafa iray ihany koa, any aminâny faranâilay fahitany, i Daniela dia nanotany hoe : âTompoko Ă´, hanao ahoana no hiafaran’ireo zavatra ireo? Dia hoy izy: Andeha, ry Daniela, fa efa voahorona ny teny sady voaisy tombo-kase mandra-pihavin’ny andro faranyâŚâ (Daniela 12:8-9).
Tena tiako ilay valiny, fa indrindra rehefa miteny aminy Izy hoe : âAndeha (aminâny fiadanana), ry DanielaâŚâ!
Eny, mba ahazoana ny valin-teny avy aminâAndriamanitra, anisanâny fanalahidy iray dia ny manontany Azy , ary aminâizany, i Daniela dia tena naharitra tokoa : tsy hoe aminâny fangatahana ihany fotsiny, fa indrindra aminâny fahatakarana ny dikanâizay valin-teniny. Noho izany antony izany, dia nifady hanina nandritry ny 3 herinandro izy, araka izay efa hitantsika omaly !
Tena nangetaheta ny handre ny feonâAndriamanitra i Daniela teo aminâny fiainany, mihoatra ny zavatra hafa rehetra.
Ny fifandraisanâi Daniela aminâAndriamanitra dia tena akaiky, hany ka nanambaranâAndriamanitra zavatra tena mahatalanjona, ary ny sasany aza dia fambara ny ho aminâny ho avy izy.
Ry namako, izany ihany koa no fifandraisana tianâAndriamanitra hananana aminao. Te hanambara zava-baovao aminao Izy, ka mba ahatanterahanâizany dia tena zava-dehibe ny fianaranao mihaino ny feony.
Araka izay voalazanâny Baiboly manao hoe : âIzay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona, na inona na inona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azyâ (1 Koritiana 2:9).
Eny, izany no zavatra nomaninâAndriamanitra ho anao ry namako.