🔥Hiampitao ny afo…

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🔥Hiampitao ny afo…

Ahoana ny fomba fiatrehanao fahoriana matetika?
Mandalina ny tantaran’i Daniela isika amin’ity herinandro ity. Tamin’izany andro izany, nisy lalĂ na nihatra tany Babylona: tsy maintsy miankohoka eo anoloan’ny sarivongan’i Nebokadnezara daholo ny olona rehetra rehefa maneno ny anjomara, mba hideran’ireo azy. Na iza na iza tsy mankatoa an’io baiko io dia mety natsipy any anaty afo.
Izany no nitranga tamin’ireo naman’i Daniela, dia i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, izay nentina teo anatrehan’ny mpanjaka, fa voapanga ho nandika ny lalàna.
Ahoana no mety niainanao izany minitra farany izany, mialohan’ny hihaonanao amin’ny mpanjaka? Nanao ahoana ny fihetseham-ponao raha fantatrao fa miandry anao ny fitsaram-bahoaka, ka ny sazy miandry amin’izany dia lafaoro miredareda, raha tsy miova hevitra ianao?
Alaivo sary an-tsaina ny tranga. Tahaka ahy koa ve ianao, talanjona amin’ny valin-teny feno fahasahian’izy ireo manao hoe: “Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ny tànanao, ry mpanjaka ô. Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay..”(Daniela 3:17-18)?

Eny, tena feno fahasahiana:

  • Nanapa-kevitra ny tsy handoto tena izy ireo, araka ny hitantsika tamin’ny andro voalohany.
  • Mino an’Andriamanitra manao fahagagana mahagaga izy ireo, araka ny hitantsika omaly.
  • Tsy matahotra ny ho vokatr’izany izy ireo noho ny fankatoavany an’Andriamanitra.

Rehefa natsipin’ny mpanjaka tao anaty afo izy ireo, dia niantsoantso haingana sady talanjona ny mpanjaka: “Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak’ireo andriamanitra.” (Daniela 3:25).
I Jesosy mihitsy no niara-nandeha tamim-piadanana niaraka tamin’izy ireo, nefa minitra vitsy mialohan’izay, dia tokony ho faty izy ireo. Navadik’Andriamanitra ny trangan-javatra !
Ry namako, manasa anao Jesosy hiara-mandeha Aminy ao anaty afo.

Fotoana izao ahasahiana bebe kokoa noho ny hatramin’izay, hitadiavana an’Andriamanitra amin’ny fonao rehetra mba hamela Azy hanova ny zava-misy iainanao. Tiany ny handrakotra anao amin’ny fahamarinany, izay masina sy be voninahitra.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!