🌎Ho tohina aminao izao tontolo izao!
Efa niatrika toe-javatra tena nanahirana ve ianao? Hinoako fa efa nisy izany, satria feno sedra ny fiainana.
Ny sedra natrehin’i Daniela sy ny namany dia tena mafy, satria ny ain’izy ireo no tandindomin-doza.
Nanonofy i Nebokadnezara Mpanjaka ka nanahiran-tsaina azy, ary dia nanapa-kevitra ny hitsapa ny mpanolo-tsainy hendry izy, ka nilaza tamin’izy ireo fa raha tsy afaka milaza aminy ny nofiny izy ireo ka tsy manome azy ny heviny, dia ho faty amin’io andro io ihany izy rehetra. .
Ry namako, inona no nataonao raha manoloana toe-javatra toy izany? Raha izaho manokana aloha dia efa nahoriko avokoa ny entako ary nandeha handositra aho =) hahaha! Tsia, raha ny tena marina, tsy hain’olombelona ny valin’io. Andriamanitra irery ihany no afaka niditra an-tsehatra manoloana izany fanamby izany.
Rehefa avy nihaino ny mpanjaka i Daniela, dia nomena fotoana hahafahany mivavaka amin’Andriamanitra niaraka tamin’ny ireo namany. Ary tamin’iny alina iny ihany, Jehovah dia nahatanteraka zavatra tsy takatry ny saina: nambarany tamin’i Daniela ilay nofin’ny mpanjaka sy ny heviny.
Talanjona i Nebokadnezara Mpanjaka, ka nanetry tena teo anatrehan’i Daniela ka nanao taminy hoe: “Ny mpanjaka namaly an’i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa Andriamanitrareo dia Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny mpanjaka ary Mpampiseho zava-miafina, ka dia nahay nampiseho izany zava-miafina izany hianao.” ( Daniela 2:47).
Eritrereto ireo zavatra hitantsika omaly: ireo izay, manapa-kevitra amin’ny finoana ny tsy handoto ny tenany noho ny amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra dia mandray fanambarana izay mamonjy ny ainy, ary mamela ny mpanapaka lehibe indrindra amin’izao vanim-potoana izao handohalika sy hanompo an’Andriamanitra.
Ry namako, Andriamanitra dia te hanao fahagagana eo amin’ny fiainanao, izay hisy fiantraikany amin’izao tontolo izao, ary miantomboka amin’ny manodidina anao. Ny toe-javatra sarotra lalovanao dia toa mitady hitondra fahafatesana, kanefa tian’Andriamanitra hovaina izany mba hanandratana ny Anarany.