🦶 Safidy feno herim-po
Efa nahatsapa fanerena ve ianao rehefa manosika anao hanao zavatra tsy tianao atao ireo olona akaiky anao, na handao izay zavatra tianao atao?
Tsaroako fony aho tany am-pianarana, maro tamin’ireo mpampianatra ahy no tsy nino an’Andriamanitra, ary tia maneso ny finoana kristiana ao an-dakilasy.
Vao nanomboka nahafantatra an’i Jesosy aho tamin’izany, ary tsy dia mbola nanana fahalalana firy. Na izany aza anefa, efa imbetsaka aho no niady hevitra tamim-panajana tamin’izy ireo tao an-dakilasy. Saingy tamin’ny fotoana hafa dia nangina fotsiny aho, mba tsy hampisy olana.
Tonga tao Babylona i Daniela sy ireo namany jiosy niaraka tamin’ny tovolahy hafa avy amin’ny faritra samihafa ao amin’ny Fanjakana Babylonianina, hanantateraka asa ao amin’ny lapan’i Nebokadnezara Mpanjaka.
Samy nanana adidy maromaro tsy maintsy notanterahina izy rehetra, ary ny iray tamin’izany dia ny hanandrana ny sakafon’ny mpanjaka. Teo indrindra no olana satria tsy nifanaraka tamin’ny lalĂ na nomen’Andriamanitra ny zanak’Israely io sakafo io. Inona no azon’izy ireo atao manoloana izany ?
Hoy ny Baiboly hoe “tapa-kevitra ny tsy handoto ny tenany amin’ny fihinanana ny hanina sy ny divay teo amin’ny latabatry ny mpanjaka i Daniela.” (Daniela 1:8). Izany safidy ninia hankatoa ny sitrapon’Andriamanitra izany dia niteraka zavatra 4:
– Nahita fitia tamin’ilay mpanapaka i Daniela.
– Nanam-pahendrena nanolotra vahaolana tena mitombina tsara i Daniela
– Nanjary lasa natanjaka tsara mihoatra ireo tovolahy hafa i Daniela sy ny namany.
– Andriamanitra dia nanome azy ireo fahalalana sy fahendrena ary fahaiza-mandika mihoatra noho ny mpanolo-tsaina hafa rehetra tao amin’ny fanjakana.
Sarotra ny mijoro hanohitra ny lamina napetraka mba ho fankatoavana ny Fanjakan’Andriamanitra. Fa rehefa manao izany dingana feno herim-po izany isika, noho ny finoana sy ny fitiavana madio an’Andriamanitra, dia mahagaga ny fomba hanohanan’Andriamanitra antsika, sa tsy izany? Ny valisoa dia lehibe lavitra noho izay fahasahiranana rehetra mety lalovantsika.
Ry namako, ataovy laharam-pahamehana ao am-ponao Andriamanitra. Mandritra ity herinandro ity, dia hanohy handinika ny fiainan’i Daniela mpaminany isika, mba hakantsika lesona. Vonona ve ianao ?