🙌🏻 Aoka ho afaka ianao!
Ny fanamelohan-tena dia fihetseham-po manempotra.
Tsy haiko na efa nitranga taminao izany, fa izaho manokana dia matetika mahatsiaro ny tsy fahombiazako sy ny fahadisoako taloha.
Indraindray dia maro amin’ireo toe-javatra ireo no nitranga taona maro lasa izay, saingy mbola tsapako ny fanamelohana mirehitra ao am-poko, na ny fanaintainana tamin’ny nanaovana safidy diso.
Amin’ny fotoana tahaka ireny, dia tsaroako ity andinin-tSoratra Masina mampahery ahy ity: “Na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.” (1 Jaona 3:20).
Amin’ny alalan’ny fanjohian-kevitra, ny fahavalo dia miezaka mampahatsiahy ahy ny tsy fahombiazana nataoko taloha, mba hinoako fa ny tenako dia tsy fahombiazana.
Ny marina anefa dia efa nangataka tamin’Andriamanitra aho mba hamelany ny heloko tamin’izany, ary efa voavelany ny heloko! Noho izany dia tsy avelako hihodidina ny fiainako intsony ireo fahatsapana ho meloka ireo.
Hoy ny Baiboly: “Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra.” (1 Jaona 1:9).
Eny, mamela ny helokao sy manadio anao amin’ireo fahotana ireo Andriamanitra, mba tsy hisy faharatsiana ao anatinao. Tsy mahafinaritra ve izany?
Ry namako, afaho amin’ny fanamelohan-tena ny tenanao androany! Raha manenjika anao ny fahadisoana taloha, dia tadidio fa efa namela sy nanadio anao Andriamanitra.
Rohay ny eritreritry ny manamelo-tena fa tsy avy aminao izany! Ary raha mbola misy zavatra tsy nifonanao, nahoana no tsy ataonao izao dia izao izany? Afaho amin’io enta-mavesatra io ny tenanao, izao ankehitriny izao.
Avelao ny fahazavan’i Jesosy hamirapiratra aminao androany.