Aiza ireo niampanga anao ?
Ny iray amin’ireo fizarana nahaliana ahy indrindra ao amin’ny Baiboly dia ilay manazava ny tantaran’ilay vehivavy janga.
Nanapa-kevitra ny hitora-bato azy ny Fariseo tamin’izany fotoana izany noho ny fahotana vitany. Mialoha ny nitorahany vato azy anefa dia nentiny teo amin’i Jesosy izy mba hamandrihany azy sy hijereny izay hataony.
Tsy niditra tamin’izany i Jesosy fa nanomboka nanoratra teo amin’ny tany. Rehefa nanery Azy hanome fanazavana izy ireo, dia namaly azy ireo tamim-pahendrena tokoa Izy ka tsy nanan-tsafidy afa-tsy ny nandao tsikelikely ireto farany ary nandatsaka ny vato teny an-tanany.
Rehefa ilay vehivavy sisa no tavela teo, dia hitan’i Jesosy fa tsy nisy nanameloka azy, ka hoy Izy taminy: “Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin’izao sisa izao dia aza manota intsony” (Jaona 8:11). Manamarika ahy ny fahatsorana sy ny halalin’izany valinteny izany :
- Tsy manameloka anao aho. Tsy anisan’ireo ho eo amin’ny lohalaharana miaraka amin’ny vato eny an-tanana mandrakizay Jesosy. Tia anao Izy, ary eo Izy ho anao, araky ny hitantsika omaly !
- Mandehana ! Aza mijanona eo amin’io tokon’ny fiainanao io, na eo amin’io tsy fahombiazana io. Mandrosoa hatrany !
- Aza manota intsony. Fantatrao ve hoe nahoana ? Satria manana fahefana ianao, na dia tsy inoanao aza izany, ny tsy hilatsaka intsony ao anatin’io fahotana io. Noho izany, ario izany ary avelao ho any aorianao !
Ry namako, rehefa te hitora-bato anao ny olona, dia tsarovy fa Jesosy efa namela anao.
Rehefa tondroin’ny hafa ny fahotanao sy ny tsy fahombiazanao tamin’ny lasa na ankehitriny, dia tadidio fa manana Mpisolovava ianao izay efa nandoa ny rany, mba hanadio sy hamela anao.
Anio, raiso ireo fampanantenan’Andriamanitra ho amin’ny fiainanao. Aza miala amin’izany !