🤫Anao ireo zava-miafin’ny fanjakan’Andriamanitra
Raha tokony hilaza tsiambaratelo ianao, dia amin’iza ?
Ny ankizy kely dia tena tsotra : lazainy amin’izay tena namany izany. Eny tokoa, matetika no mibitsibitsika miafina amin’ny sofin’ireo tena namany ireo mpianatra amin’ny fotoana fangalana aina, amin’izay tsy henon’ny ankizy sasany. Manohina ny fo e?
Jesosy dia niresaka tamin’ny olona tamin’ny fanoharana. Notantarainy tamin’ny alalan’ny tantara tsotra izay mora azo, mifono ohatra tamin’izy ireny ny tenin’Andriamanitra.
Ireny tantara ireny no ahafahan’ny olona mandray ny vonto-kevitry ny hafatra. Fa ireo fanoharana ireo dia feno marika famantarana sy fahendrena, any ka maro tamin’ny olona no tsy dia nahatakatra ny halalin’ny hafatra !
Matetika Jesosy no nanambara tamin’ny mpianany izay tena akaiky Azy, ampahany amin’ny fahendrena voarakitra ao anatin’ireny fanoharana ireny. Ny tena marina, niteny azy ireo Izy manao hoe : “Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra…” (Marka 4:11).
Waouh, azonao an-tsaina ve ? Ireo mpianatra dia VIP, nahazo alalana manokana amin’ny zava-miafina izay tsy azon’ny sasany an-tsaina akory. Dia izany indrindra koa no tian’i Jesosy atao aminao, anio.
Eny, ry namako, Jesosy dia te hanambara aminao ny zava-miafin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Te hibitsika amin’ny fonao, te ampiseho zavatra anao : “Izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina…” (1 Korotiana 2:9), mba ahafahanao mahatakatra bebe kokoa ny fomba fiasan’ny Fanjakany.
Te ahazo izany fanambarana avy amin’Andriamanitra izany ve ianao ? Voatokana ho an’izay tena namany akaiky Azy, ho an’ireo izay mitady Azy amin’ny fony rehetra izany.
Anio, miandry anao izany fanambarana izany.