🙊 Ateraka indray

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🙊 Ateraka indray

Efa niaina ny hoe “ Ateraka indray” ve ianao ?

Fony aho mbola zatovo, dia anisan’ny foto-kevitra tsy dia naharesy lahatra ahy indrindra ny hoe “ateraka indray”.

Fantatro ilay andiany ao amin’ny Baiboly izay misy an’i Jesosy miteny an’i Nikodemosy : “Lazaiko aminao marina dia marina tokoa : Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra.” (Jaona 3:3).

Inona marina ny foto-kevitry ny hoe ateraka indray ? Ary ahoana no ahafahany manao izany ? Araka io lahatsoratra io, dia fepetra tsy maintsy izorana mba ho avotra izany. Ary amiko dia, tena zava-dehibe ny fahazoana antoka fa nanao izany tokoa….

Hatramin’ny naha-zaza ahy, dia nandeha tany am-piangonana foana aho, zazalahy tsara taiza aho (saro-kenatra, mahalala fomba, mazoto mianatra…) ary nino an’Andriamanitra aho, fa aiko hoe tsy ampy an’io fahateraham-baovao io aho… Ary ny loza, dia tena tsy mba aiko mihitsy hoe ahoana no ahafahako miaina izany.

Tiko raha mba nisy raikipohy toy ny hoe : “Mila mamaky toko 2 ao amin’ny Baiboly isan’andro dia mivavaka mandritry ny 20 minitra”, satria dia azoko natao tamin’ny herin’ny tenako irery izany. Kanefa aiko fa izany fahateraham-baovao izany dia zavatra tena lehibe lavitra noho ny fankasitrahana izay afaka tratrariko amin’ny tenako izaho samy irery.

Indray andro, tamin’ny faha-15 taonako, tsy nahazaka io tsy fahazoako antoka io intsony aho, ka niresaka tamin’Andriamanitra amin’ny fomba tena vokatry ny fo sy tena izy fantatro indrindra aho. Nosokafako taminy ny foko ary nangataka taminy aho mba hidirany eo amin’ny fiainako, ary ahatonga ahy ho ateraka indray sy iaina ny fanatrehany. Tena very hevitra aho.

Andro vitsivitsy afaka izay, dia nanomboka niova ny zavatra rehetra :

  • Nanomboka nahatsapa aho fa tena miaraka amiko Andriamanitra, eo anilako, ary namako Izy.
  • Fantatro fa tena misy Izy ary navelany ny fahotako rehetra.
  • Nahatsapa fiadanana sy fifaliana tena nampitolagaga tsy mbola nisy toy izany aho.
  • Tena resy lahatra aho fa hiaraka Aminy any amin’ny mandrakizay any an-danitra.
  • Ireo eritreritro nahaketraka sy ireo fahazaran-dratsiko dia nanjavona tao anatin’ny andro vitsivitsy.

Fantatro fa nateraka indray aho. Ary dia tena nahatalanjona ahy izany ! Namaly ny vavako Andriamanitra, ary nanana alalana amin’ny fahamarinana tena mahafinaritra dia ny : Fanjakan’Andriamanitra.

Ry namako, rehefa ateraka indray ianao dia, manana alalana amin’ny fahamarinana tena mahafinaritra dia ny : Fanjakan’Andriamanitra.

Ato am-poko ianao,

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!