🎉Eto ny fanjakany !
Efa nandre ny fiaran’ny mpivarotra lamba-na fanaka ve ianao ?
Tsaroako, fony ao mbola zaza, fa reko hatrany an-tranoko ny dokambarotra nalefan’ny mpivarotra lamba (dia ilay olona mivarotra lamba fandrakofana seza sy kanape izany =).
Ny fiarany dia nisy fanamafisam-peo izay nandefa feo mitovy foana : “Tandremo ! Tonga eto an-tanà nantsika ihany ny kamiaon’ny mpivaro-damba. Mandrakotra karazana fanaka sy seza maro izahay,..”, ary niverimberina nandeha teo nandritra ny iray minitra mahery ny dokambarotra nataony ho an’ny orinasany.
Saino hoe impiry aho no naheno an’io hafatra io!!! Saika haiko tsianjery izany.
Ny tena nanaitra ahy indrindra, dia ny fanombohany ny horonam-peo tamin’ny fitenenanana hoe “Tonga ihany izy …” Toy ny hoe niandry azy avokoa izahay rehetra, ary tonga ihany izy nony farany ! 🙂
Maro ny olona miandry ny Fanjakan’Andriamanitra ary mihevitra fa rehefa hiverina i Jesosy dia hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra.
Saingy jereo ny navalin’i Jesosy ireo farisiana : “Ary Jesosy, nony nanontanian’ny Fariseo izay andro hihavin’ny fanjakan’Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho ny fihavin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! Na ery! Fa, indro, ny fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo » (Lioka 17 :20-21).
Waouh ! Niandry ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny jiosy, saingy nanova ny fomba fijerin’izy ireo Jesosy.
Eny ry namako, tsy mila miandry ny Fanjakan’Andriamanitra ianao, efa eo izy ! Ao amintsika ny Heriny, ary manana fahafahana manitatra ny Fanjakany isika amin’ny alalan’ny fitiavantsika, ny finoantsika, ny halemem-panahintsika, ny tenintsika, ary ireo vavaka mahery ataontsika … ho an’ny olona hafa. Fotoana sarobidy ary tombon-tsoa lehibe izany !
Anio, te hanao fahagagana Andriamanitra, eo amin’ny fiainanao sy amin’ny alalanao.