đź’Ą Teny mahery!
Ny olombelona amin’ny ankapobeny dia tia miresaka (eny, marina izany, ary ny sasany mihoatra noho ny hafa… =).
Feno teny izao tontolo izao! Mila mandefa fahitalavitra vetivety fotsiny ianao na mijery tambajotra sosialy dia ho resy lahatra ny amin’izany: resadresaka, fanehoan-kevitra, sarimihetsika, lahatsoratra, teny filamatra, tantaram-piainana … Na ny hafatra izay vakianao amin’izao fotoana izao aza dia misy teny eo amin’ny 300 mahery kely eo !
Nankany Atena ny Apostoly Paoly mba hiresaka momba an’i Jesosy, nandritra ny dia misionera izay nataony. Tonga tao amin’ny Areopago izy, toerana izay hiangonan’ny Ateniana rehetra mba hihaino an’izay olona manana hafatra holazaina.
Io no rindrin’ny “Instagram” tamin’izany fotoana izany, fa kosa rindrina vita amin’ny vato tena izy! =)
Lahateny anisan’ny tsara indrindra tao amin’ny Baiboly no nambaran’i Paoly kanefa zara raha nihaino azy akory ny ankamaroan’ny olona tao.
Noho izany zavatra niainany izany dia lasa nisy zavatra niova tao amin’i Paoly tamin’io andro io , hany ka nanoratra toy izao izy tao amin’ny tanà na manaraka notsidihany: “Fa ny fanjakan’Andriamanitra tsy amin’ny teny, fa amin’ny hery.” (1 Korintiana 4:20)
Takany fa ny maha samy hafa ny teny tsara lahatra sy ny teny manohina ny fo dia ny Fanatrehan’Andriamanitra. Ny fanalahidy dia tsy ny miteny amin’ny “teny sy fahendrena marevaka” (1 Korintiana 2:1), fa ny miteny eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina sy ny herin’ny Fanahy Masina.
Andriamanitra mihitsy no mampiasa teny hanohina ny fon’ny olona, hanatona Azy bebe kokoa, mba hahafahan’izy ireo miaina ilay Fanjakany eo amin’ny fiainany.
Ry namako, te hameno ny teninao amin’ny heriny Andriamanitra! Tiany ny hampiasa azy ireny mba hanohina ny fon’ny olona manodidina anao, ary hanome fiainana azy ireo amin’ny alalan’izy ireny. Fa mihoatra noho izany aza, Andriamanitra dia te hampiasa ny fiainanao manontolo mba hiresahany sy hitahiany azy ireo. Ho fahazavana mamirapiratra avy amin’ny Fiainany ho an’ireo olona ireo ve ianao?
MamirĂ pirata anio ho voninahitry ny Tompo.