đź‘‘ Ho tonga anie ny Fanjakanao!
Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra ny Fanjakan’Andriamanitra ianao? Mety hoe sary maneho ny lanitra ve sa ny fiangonana ? Sa zavatra hafa mihitsy?
Ny iray amin’ireo vavaka tena nanohina ny foko indrindra dia ilay Jesosy mampianatra ny mpianany hivavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao; Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10).
Tiako koa ity dikan-teny hafa ity: “Ataovy tonga ny Fanjakanao” (Matio 6:10).
Mirehitra ny foko isaky ny mieritreritra an’izany. Te-hitondra ny Lanitra ho ety an-tany Andriamanitra, te-haneho ny voninahiny eto Izy, tahaka ny hanehoany izany any an-danitra. Ary fantatrao ve hoe inona no tena tsara kokoa? Te hanantateraka izany amin’ny alalanao Izy.
Tonga olombelona i Jesosy ary tonga teto an-tany, teraka tao Betlehema. Namela ny Voninahiny tany an-danitra Izy, ary tonga nofo aman-dra toa ahy sy ianao.
Niaina tamin’ny herin’ny Fanahy Masina Izy, ary nanao ny lalana mba hahafahantsika miaina amin’ny alalan’ io hery sy fahefana io ihany koa.
Araka ny nolazainy hoe: “Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa sady hanao asa lehibe noho izany izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray.” (Jaona 14:12).
Eny, ry namako, Andriamanitra dia te-hitondra ny Lanitra ho ety an-tany, ary tiany ny hanao izany amin’ny alalanao. Mandritra ity herinandro ity, dia hizara aminao karazana fanalahidy izay hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny Fanjakan’Andriamanitra aho, ary haneho izany eo amin’ny fiainanao andavanandro. Vonona ve ianao?
Enga anie ny Fanjakany hameno ny fiainanao anio.