đ Mahazo tombony foana ianao na inona miseho !
Araka ny hitantsika nandritra ity herinandro ity, dia te hameno antsika aminâny fiadanana ny Tompo aminâny toe-javatra rehetra. Fa fantatrao koa ve fa te handraraka izany Fiadanany izany ihany koa Andriamanitra, aminâireo olona manodidina anao, aminâny alalanao?
Jereo ny nataonâi Jesosy taminâireo mpianany, taminâny nanirahany azy ireo hitory teo aminâny tanana manodidina : â Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin’ity trano ity. Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy izany, dia hiverina ho aminareo ihany izany.â (Lioka 10.5-6).
Rehefa manam-paniriana ny hitahy ireo olona manodidina antsika isika dia afaka ny hahatsapa ilay fiadanana misy eo aminâny fiainantsika izy ireo ary afaka misitraka izany ihany koa.
Mety ho tonga balsama hitahiana amin-kery ny fiainanâizy ireo ny fiadanantsika sy ny FanatrehanâAndriamanitra ao anatintsika. Fa ny tena mahafinaritra dia raha misafidy ny handa sy hanafika antsika aza izy ireo, dia tsy maninona izany : mitoetra ao anatintsika foana ny fiadanantsika!
Ry namako, zarao aminâny manodidina anao ny fiadananao. Aza kivy raha tsy azony izany : zarao fotsiny, meteza ho tsara fanahy ary mitoera feno ny Fitiavany.
Ary raha mbola mamaly ratsy ny soa ataonao izy dia aza manahy : miasa eo aminâny fiainanâizy ireo Andriamanitra, ary ny fihetsikao feno fitiavana sy fiadanana aminâizy ireo dia manana hery lehibe mihoatra ny saininao. Mampiasa izany izy hamotehana tsikelikely ny asanâny aizina eo aminâny fiainanâizy ireo, mba hanalefaka ny fony.
Noho izany, zarao ny Fiadanany aminâny olona rehetra. Ary raha tsy mety mandray izy ireo, dia ianao ihany no handray soa aminâizany! Na inona mitranga dia mahazo tombony ianao đ
Hamiratra foana eo aminâny fiainanao anie ny Fiadananâny Tompo.