🔥🔥 Teny iray ihany: AFO!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🔥🔥 Teny iray ihany: AFO!

Nandritra ity herinandro ity dia niezaka nizara hevitra sy fanalahidy ary torohevitra taminao avy tamin’ny alalan’ny zavatra niainako niaraka tamin’Andriamanitra aho.
Ny marina dia miha mangetaheta ny hiaraka amin’Andriamanitra ny foko. Te-handany fotoana miaraka Aminy aho, te hahafantatra Azy bebe kokoa, te hahatsapa ny fony ary hiaina ny Fanatrehany. Te hahita ny zava-drehetra amin’ny masony aho ary hahatsapa ny zava-drehetra araka ny fony.
Rehefa nihaona tamin’i Jesosy ny apostoly Paoly, dia niova tanteraka ny fiainany.
Rehefa nandeha teny ny fotoana, dia nitombo ny faniriany hiaraka amin’Andriamanitra, hany ka nanoratra toy izao tao amin’ny iray amin’ireo taratasiny izy: “Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’ny Kristy. Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoarany’ny hatsaran’ny fahalalana an’I Kristy Jesoa Tompoko, Izay niaretako ny fatiantoka ny zavatra rehetra, ka ataoko ho taimboraka ireny mba hahazoako an’I Kristy. Eny mba ho fantatro Izy sy ny herin’ny fitsanganany tamin’ny maty ary ny fiombonanana amin’ny fijaliany ka hampitovina amin’ny endriky ny fahafatesany” (Filipiana 3:7-8, 10).
Tsapanao ve ny fihetsem-pony teo am-panoratana izany, ilay afo mirehitra tao am-pony? Maro ny zava-dehibe eo amin’ny fiainana, ary fanomezana avy amin’Andriamanitra izany mba ahafahantsika mikarakara sy mianoka izany. Saingy amin’ireo rehetra ireo dia tsy misy afaka mitaha amin’ny voninahitry ny fahafantarana an’Andriamanitra bebe kokoa, sy amin’ny fahatsapana ny heriny eo amin’ny fiainantsika.
Ry namako, hatraiza ny hetahetanao an’Andriamanitra anio? Hatraiza ny firehetan’ny fonao ho Azy?
Manasa anao aho anio ny hangataka amin’ny Tompo mba hampirehitra bebe kokoa ny afon’ny Fanahiny Masina eo amin’ny fiainanao, ary ho hampitomboiny ny fanirianao hiaraka Aminy.
Te hameno anao amin’ny Fanatrehany feno voninahitra Andriamanitra!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!