🍽 Efa vonona ny latabatra !
Misy zava-mitranga manokana rehefa mivory manodidina ny latabatra isika.
Ny ankamaroan’ny fotoana manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika dia tanterahina manodidina ny latabatra. Efa nandinika an’izany ve ianao?
Rehefa manambady isika, dia manomana fanasana iray izay ahafahantsika miara-paly amin’ireo vahinintsika.
Rehefa Krismasy dia mivory miaraka amin’ireo akaiky antsika isika ary mankafy fotoana mamy manodidina ny latabatra ny mpianakavy.
Ary rehefa nahatratra tanjona iray manan-danja amintsika isika dia mankalaza izany any amin’ny trano fisakafoanana…
Eny, azo antoka fa mitana toerana manan-danja ny latabatra amin’ny andro fety, saingy mitovy amin’izany ihany koa amin’ny fiainana andavanandro.
Ny latabatra dia maneho toerana izay izarantsika ny fotoana tsara indrindra amin’ny fianakaviana, izay ahafahantsika mihaona aorian’ny tontolo andro, atao hiresahana, hialana sasatra sy hiara-misakafo.
Io fiarahan’ny mpianakavy io dia mamela antsika hifanakalo resaka, hizara izay tena ao am-pontsika. Ary eo no ahatsapantsika bebe kokoa fa ao an-tranontsika isika.
Fantatrao ve fa nanomana toerana manokana ho anao eo amin’ny Latabany Andriamanitra?
Fantatry ny mpanao Salamo tsara izany rehefa nilaza toy izao izy ao amin’ny Salamo 23 hoe: “Manamboatra latabatra eo anatrehako Hianao, eo anatrehan’ny fahavaloko; Nohosoranao diloilo ny lohako, dia tondraka ny kapoakako.” ( Salamo 23:5 ).
Eny, isan’andro, Andriamanitra dia maniry ny hanana fotoana fiombonana aminao!
Ry namako, efa namboarin’Andriamanitra ny latabatra ary miandry anao Izy. Azonao sary an-tsaina ve izany? Ny hany ataonao dia ny manatona Azy ary mankafy izany fotoana manokana miaraka Aminy izany. Manatona, aoka Izy hanosotra ny lohanao amin’ny Diloilony, ary aoka Izy handrotsaka ny hafaliany hiboiboiboka ao am-ponao.