đ„ Fanasana ho anâny fanahy !
Tia fampakaram-bady ve ianao ? Isaky ny afaka manatrika aho dia tiako izany !
Tena ankasitrahako ireny fotoana ireny izay ifangaroanâny fifaliana, ny fiandrasana ary ny fientanentanana mandritra ny fampakaram-bady. Tena mahafinaritra ny mankalaza an’ity fotoana manokana eo amin’ny fiainana ity miaraka amin’ireo olona akaiky antsika !
Noho izany, eny, marina fa ny fotoananâny korana no ampahany mampientana ahy indrindra.
Tsy haiko ny momba anao, fa izaho manokana dia miezaka hatrany ny mihinana kely dia kely aminâio andro io, mba hananako toerana misimisy kokoa aminâny fotoam-pisakafoanana. Ary indray mandeha aza, dia nandeha nijery mpitsabo nify mihitsy aho andro vitsivitsy mialoha, mba ho vonona aminâilay fotoana ny âmekanismaâko manontolo! =D
Ny mifady hanina dia fomba iray hanamafisana ny fikatsahantsika ny fanatrehanâAndriamanitra rehefa noana Azy isika.
Raha maka ohatra aminâny fampakaram-bady isika, rehefa mifady hanina ianao, dia tsy misakafo mandritra ny fotoana voafetra mba hampitomboana ny filanao aminâny fahafinaretana tianâAndriamanitra homena anao. Tena mendrika izany!
Izaho manokana dia maka fotoana kely matetika ifadiana hanina ary hitako ny vokatra tsaranâizany eo aminâny fiainam-panahiko.
Jesosy ihany koa dia naka fotoana nivavahana sy nifadiana hanina. Indray andro, nanery Azy hisakafo ireo mpianatra satria natahotra Azy ho torana, saingy hoy Jesosy taminâizy ireo : âIzaho manan-kohanina izay tsy fantatrareoâ (Jaona 4:32).
Ny sakafony dia ny fanaovana ny sitraponâAndriamanitra sy ny fihainoana ny Teniny, araka ny voalazanâny andalan-teny hoe : âTsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitraâ (Matio 4:4).
Ry namako, aza adino ny fanasana izay nomanin’Andriamanitra ho anao! Ampiasao ny fotoana hifadian-kanina ho tombontsoanao.
Anio, afantohy aminâi Jesosy ny masonao ary aminâizay rehetra tiany hozaraina aminao.