☕️ Te hisotro kafe hiaraka aminao Andriamanitra!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | ☕️ Te hisotro kafe hiaraka aminao Andriamanitra!

Inona ny zavatra ataonao voalohany rehefa noana ianao? Manatona ny vata fampangatsiahana ?
Efa mpanao izany ve ianao hoe noana dia mandeha any an-dakozia ary mikaroka izay azo hohanina ao ? Zavatra efa mahazatra ny maro izany.
Ny nosoratan’i Davida mpanjaka dia naneho ny firehetany ho an’Andriamanitra sy ny hetahetany hiaina eo amin’ny Fanatrehany. Jereo ange ny nolazainy ao amin’ity Salamo mahafinaritra ity e :
“Andriamanitra ô, Andriamanitro Hianao;
mitady Anao fatratra aho;
mangetaheta Anao ny fanahiko,
maniry Anao ny nofoko, eto amin’ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;
Toy izany no nijereko Anao tao amin’ny fitoerana masina, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.
Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao.
Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin’ny anaranao no hanandratako ny tanako.”
(Salamo 63:1-4)

Tsapanao ve ny firehetana ao anatin’io Salamo io ? Ny tena mahakasika ahy dia mikaroka an’Andriamanitra ny maraina vao mifoha i Davida.
Misy zavatra miavaka mitranga rehefa mitady an’Andriamanitra vao marain’alina isika. I Jesosy dia nifoha maraina ary matetika dia naharitra nivavaka amin’ny alina koa Izy.
Izaho manokana dia mifoha vao maraina koa mba haka fotoana miaraka amin’Andriamanitra, mialohan’ny handehanako miasa. Zary toa fahazarana izany fotoana sarobidy izany eo amin’ny fiainako ka tsy afaky ny tsy ho ataoko!
Ry namako, atombohy miaraka amin’Andriamanitra ny tontolo andronao ! Ny fomba tsara indrindra hanombohana ny tontolo andro dia ny miara-misotro kafe amin’Andriamanitra, amin’ny fanokafanao Aminy ny fonao mba hamenoany anao amin’ny Fitiavany sy ny Fanatrehany.
Tsarovy fa manana fotoana Aminy ianao vao mifoha.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!