🙌🏻 Ny Fitahian’Andriamanitra ho amin’ny ankohonanao
Ny fitahian’Andriamanitra dia fialofana ho antsika isaky ny ilaintsika, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra.
Nandritr’ireny fihibohana ireny dia nisy ity hira ity izay nanjary toa antema ho an’ny fiangonana : “Ny Fitahiana”.
Asaiko manokana ianao hisaintsaina miaraka amiko ny voalazan’ny tononkira :
Hitahy anao ny Tompo, hiaro anao, hampamiratra ny tavany, hamindra fo aminao
Hitodika aminao Izy, hanome ny fiadanany
Fahasoavany ho aminao sy ny taranakao mifandimby
Ny ankohonanao sy ny zanakao,
Ary ny zanany sy ny zanany.
Fanatrehany hialoha anao
Ho ao aorianao, ho eo anilanao, hiodidina, anatinao
Hiara-dia
Na maraina, na hariva, na mivoaka, na miditra
Na fifaliana, na fahoriana, homba anao Izy!
Ao amin’io hira io dia misy andininy tena mahakasika ahy, dia ilay hoe “Fahasoavany ho aminao sy ny taranakao mifandimby. Ny ankohonanao sy ny zanakao, Ary ny zanany sy ny zanany.”
Izany mihitsy no ambaran’ny Baiboly ao amin’ity andininy ity hoe :” Tompo Ă´, efa fonenanay hatramin’ny taranaka rehetra Hianao.” (Salamo 90:1).
Eny ry namako, tian’Andriamanitra ianao ary tiany koa ny ankohonanao! Fonenanao Izy, ho an’ny zanakao ary ny taranaka mifandimby, ho an’ny ray aman-dreninao, ho an’ny iray tampo aminao, ho an’ny namanao si ireo izay am-ponao.
Mahatoky Izy aminao, arovany sy tahiany ianao. Ary toy izany koa no ho ataony amin’ny fianakavianao. Tsy mahafinaritrta be ve izany?
Ankafizo ireo fitahiana natolotr’Andriamanitra anao mandritr’ity tontolo andro ity.