🏔 Miakara aty !
Aiza ny toerana tena tianao indrindra? Hitanao ilay toerana tianao aleha rehefa misy fahafahana iny ianao.
Izaho manokana dia manana betsaka fa iray amin’ireny ny “Phare de Moncloa”. Tilikambo avo izy io, izay ahitanao ny ampahany lehibe amin’ny tanĂ nan’i Madrid, sy ny ala manodidina azy.
Mahafinaritra ahy ny mianika izany mba hijereko ny tanana avy eny an-tampon-kavoana! Ao anatiny dia mazava tsara ary tsapa hoe voaaro ianao. Amin’ny fomba fijery hafa no hitazananao izany ary satria avy eny ambony ianao no mijery dia hainao fa tsy misy ahatratra anao.
Omaly, tao amin’ny Salamo 18 dia hitantsika fa fiarovana avo ho antsika Andriamanitra, izay azontsika hitokiana tanteraka. Hoy koa ny Baiboly hoe : “Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo” (Salamo 61:3).
Harambato Andriamanitra, izay tsy ho tratry ny fahavalon’ny fanahinao mihitsy !
Indro ny ambaran’Andriamanitra aminao anio : “Ry namako, satria Izaho no niraiketan’ny fitiavanao, Dia hamonjy anao Aho, Hanandratra anao ho any amin’ny avo Aho, satria mahalala ny anarako ianao. Hiantso Ahy ianao, dia hamaly anao Aho; Ho eo aminao Aho, raha ory ianao; Hamonjy sy hanome voninahitra anao Aho. Hovokisako fahela-velona ianao Ary hasehoko anao ny famonjeko.” (Araky ny Salamo 91:14-16). Waouh! Tsy mahafinaritra be ve izany?
Eny ry namako, manova ny zavatra rehetra ny fitiavanao an’Andriamanitra! Rehefa mialoka ao amin’Andriamanitra ianao, ary mifantoka amin’ny fitiavany tanteraka ny fonao dia mikisaka ny olanao.
Mandritr’ity tontolo andro ity dia mivavaka aho mba hanavaozanao ny fitiavanao Azy sy hiainanao feno ny fahafahana ary ny fitahiana izay efa nomaniny ho an’ny fiainanao.