🏛 Efa nitsidika an’i Athenes ve ianao?
Iza no tanana tena tinao indrindra eto an-tany?
Ho ahy dia sarotsarotra ny hisafidy fa ny azoko antoka dia anisan’ny tanana tiako indrindra i Athenes.
Ny tena mampiavaka azy dia ilay toerana midadasika antsoina hoe “Acropole” sy ilay toerana nitorian’ny Apostoly Paoly ho an’ireo Atenianina.
Tena nahasondriana ahy ny nahita ireo trano naorina tambonin’ny vatolampy efa an’arivon-taonany. Io vohitra io dia maneho tanjaka, hery ary mirakitra tantara.
Ny vatolampy eo amin’ny “Acropole” dia tena mafy fa nefa tsy afaka hampitahaina amin’Ilay Vatolampy !
Jereo ange ny ambaran’ny mpanjaka Davida manao hoe: “Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.” (Salamo 18:2).
Andriamanitra dia:
- Harambatonao izay iorenan’ny fiainanao
- Batery fiarovana hitoeranao
- Mpamonjy anao, Ilay manafaka anao
- Andriamanitrao izay momba anao
- Vatolampinao izay loharanon-kerinao
- Fialofanao, izay azonao hitokiana tanteraka
- Ampinganao izay miaro anao amin’ny fahavalonao
- Herinao izay mamela anao handroso
- Famonjenao ety sy ho mandrakizay
- Fiarovana avo ho anao
Waouh! Eny ry namako, harambaton’ny fiainanao Andriamanitra, ilay fialofana azonao hitokiana.
Mivavaka aho fa mandritr’ity tontolo andro ity dia handeha am-pandresen-dahatra tanteraka ianao fa ilay Mahery indrindra dia mihevitra ny momba anao. Momba anao Izy ary afaka mialoka Aminy ianao isaky ny mila izany.