🔌 Vonoy ilay “Aspirateurs”!
Tsy haiko ianao na ohatra ahy fa anisan’ny tena tiako indrindra ny mamafa trano amin’ny “aspirateur”. Tena tiako rehefa trohiny iny ireo vovoka, ary lasa madio daholo izay lalovako! =)
Indrisy anefa fa eo amin’ny fiainantsika andavanandro isika indraindray dia miatrika fotoana sy toe-javatra izay mitovy amin’ny “aspirateurs” ihany koa, saingy amin’ny heviny ratsy … satria miezaka misintona ny herintsika, ny tanjatsika ary ny hafaliantsika indray izy ireo. Noho izany, dia lasa ketraka amin’ny vaovao ratsy tsy ampoizina ny tenantsika, ohatra: ny fifamaliana amin’ny vadintsika na koa mety tsy mahazo aina ny vatantsika, raha tsy hilaza afa-tsy ireo ohatra vitsivitsy ireo ihany.
Inona no azontsika atao rehefa mandalo ireny fotoana ireny isika ka mahatsiaro ho reraka sy sy ketraka ka toa tsy manana hery intsony? Andeha isika hihaino izay lazain’Andriamanitra amintsika araka izay voasotra ao amin’ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana : “Ratsy avokoa ny andron’ny ory; Fa vavan’ny adala mankamamy ny fahadalana”(Ohabolana 15:15)
Eritrereto kely anie izao: tsy mitovy ny hoe mijaly ny mandalo fotoan-tsarotra. Miatrika toe-javatra sarotra isika rehetra, indraindray matetika ao anatin’ny andro iray ihany, fa ny tena mampiavaka anao dia ny fihetsikao manoloana izany. Inona no hataonao? Avelanao hampahory anao ve izy ireo? Sa hanapa-kevitra ny hanolotra azy ireo ho an’ny Tompo ianao ka hanohy hiaina ilay fanasana tsy misy fetra izay efa nomaniny ho anao?
Rehefa nandeha ny fotoana, dia nianatra aho ny tsy hamela intsony ny fahasahiranana isan’andro hanavesatra ahy. Raha vao mitranga izany, dia mivavaka aho mba hanolorako izany eo an-tanan’Andriamanitra, mandra-pahavelombelona ny fanahiko sy mandra-paha-feno fifaliana ahy indray. Tsy diso fanantenana mihitsy aho! “Apetrako Aminy ny fanahiako rehetra” (1 Petera 5:7), ary avy eo dia mankafy ny tontolo andro sisa aho.
Rehefa mavesatra ny fonao, manatona mandray anjara amin’ny fanasan’ny Fanatrehan’Andriamanitra! Vonoy ao an-tsainao ireo “Aspirateurs” ireo, ary mizara mijery mandrakariva ny toe-javatra misy amin’ny alalan’ny mason’Andriamanitra. Izany dia hampahery anao ary hamela anao handroso ao anatin’ny hery vaovao!
Fitahiana avy amin’Andriamanitra ianao