📱 Apetrao ny findainao !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 📱 Apetrao ny findainao !

Miarahaba anao ry namako,
Inona ny zavatra ataonao voalohany rehefa manokatra ny masonao ianao, amin’ny maraina, rehefa avy natory tsara ny alina ?
Ho an’ny akamaroan’ny olona, ny zavatra tonga ao an-tsaina voalohany dia ny mandeha ao amin’ny tambajotra sosialy, na mijery ny mailaka amin’ny finday. Raha manao toy izany koa ianao, dia mba misy fiangaviana ataoko aminao ity : aza manao toy izany intsony ! =) Ireo minitra vitsy manaraka ny fifohazanao no fotoan-dehibe ifantohanao amin’Andriamanitra ka hamaritra ny tontolo andronao. Tianao ho feno tsy fifantohana amin’ny zavatra tokony ho atao, feno sorisory ve izany , sa feno an’Andriamanitra ?
Tany aloha tany aho dia tena nanao izany fahadisoana izany matetika, ary noho izany indrindra dia nanapa-kevitra ny hanova io fahazarako io amin’ny zavatra hafa izay miteraka vokatra tena tsara indrindra dia tsy inona akory izany fa ny fanazarako ny tenako hifantoka amin’Andriamanitra irery ihany, dieny maraina.
Izany no nataon’i Jesosy. Ny Baiboly milaza hoe “Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.” (Marka 1:35). Jesosy dia nanana fahazarana nifoha vao mangiran-dratsy, mba anokanany fotoana miaraka amin’ny Ray.
Izaho manokana, ny zavatra ataoko voalohany rehefa mifoha dia : mandeha ao amin’ny efitra fandraisam-bahiny. Eo aho no manomboka mamaky ny Baiboly, mandray naoty ao anatin’ny boky kely fanoratako vavaka ary avy eo dia mivavaka. Sokafako amin’Andriamanitra ny foko, mihaino ny feony aho sady miodina ao amin’io efitra io, ary misaotra Azy, miaraka amin’ny hira fiderana izay alefako mafy.
Mahavita manokana ora iray sy sasany eo aho miaraka amin’Andriamanitra, izay antony tsy maintsy hifohazako mialoha be. Fa dia tena ilaina tokoa ! Izany fahazarana izany no nanova ny fiainako, ary io fotoana io no fotoana mamiko indrindra ao anatin’ny tontolo andro iray.
Ry namako, mampahery anao aho hanao toy izany isa-maraina miaraka amin’Andriamanitra, mifohaza aloha kely, ary araraoty izany fotoana izany hamborahanao ny fonao eo anatrehan’ny Rainao tsitoha.
Toro-hevitra farany arosoko anao : aza atao maneno ilay feo mampahafantatra anao izay zava-misy ao amin’ny findainao. Amin’izay, tsy ho azon’ny fakam-panahy hijery izany ianao rehefa mifoha maraina, fa hifantoka kosa amin’ny zavatra izay tokony ho ataonao mandritra ny tontolo andronao, ary tsy ho voaodina amin’izany ny sainao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!