⏱ Fotoana hiovana izao…

PEJY FANDRAISANA | Miracles | ⏱ Fotoana hiovana izao…

Tsapanao fa misy zavatra tsy mandroso mihitsy ve eo amin’ny fiainanao? Mila fiovana ve ianao? Mety ho lasa fahazarana loatra ny fiainana indraindray, na dia eo amin’ny lafiny ara-panahy aza. Ary mora latsaka ao anatin’ny fandrika isika rehefa manana fahazarana manao zavatra mitovy foana, mandra-pahavery tanteraka ny fifaliantsika sy ny fahazotoantsika amin’ny zavatra ataontsika amin’ny farany.

Tena tiako ny mijery ny fihetsiky ny zanako. Tamin’ny mbola enim-bolana ny zanako vavy, dia nankafiziny amin’ny antsipiriany ny fiainany andavanandro rehetra, toy ny hoe vao sambany daholo ny zavatra ataony. Nanana fifaliana izay nananan’ny ankizy kely izy, toy ny zava-baovao avokoa ny zava-drehetra. Tsy mba tianao ve ny hamerina izany amin’ny fiainanao andavanandro?

Nanokatra “lalana vaovao sady velona” i Jesosy mba ahafahantsika manatona an’Andriamanitra sy miditra ao amin’ny Fanatrehany (Hebreo 10:19-22). Tsy lalana taloha, na fomba fanao mahazatra fa: lalana vaovao sy velona ka manjary misy dikany avokoa ny zava-drehetra, isaky ny mandalo an’io Lalana io isika. Jesosy mihitsy io Lalana io (Jaona 14:6)!

Ry namako, lalana vaovao no miandry anao, fomba fanao vaovao.

Mivavaka aho mba hameno ny zavatra ataonao tsirairay avy ny fahamoram-panahy, ny faharetana ary ny vaovao avy amin’Andriamanitra. « Mangataka aho mba hanaovanareo ny zavatra rehetra tahaka ny ho an’ny Tompo (Kolosiana 3:23):

  • Rehefa manasa lamba ianao.
  • Rehefa mandeha fitateram-bahoaka.
  • Rehefa manao tetikasa ianao any am-piasana.
  • Rehefa mamahana ny zanakao ianao.

Anio, Andriamanitra dia momba anao amin’ny fotoana rehetra! Avelao Izy hitondra ny fanavaozana sy hanome lanjany vaovao amin’ny zavatra vitanao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!