đź’Ž Harena ianao!
Manana harena sarobidy maro ianao! Mahatsapa izany ve ianao? Azoko antoka fa nandritra ny androm-piainanao dia efa niaina fotoana manokana maro ianao izay mandrakotra ny fitehirizana ny harenanao: vata feno tsara izay tehirizintsika miafina ao am-pontsika.
MamelĂ ahy hitanisa aminao ny sasany amin’ireo harenako:
- Ny fiombonako amin’Andriamanitra, sy ny fotoana hiarahako Aminy.
- Ny vadiko, ny zanako, ary ny fianakaviako.
- Ny fahafahako manoratra ato amin’ny « Fahagagana Isan’Andro».
- Ny fahamarinana tsirairay hitako tamin’ny famakiana ny Baiboly sy ny fampianaran’Andriamanitra voaray nandritra ny taona maro.
Ireo fotoana rehetra ireo, miaraka amin’ny zavatra maro hafa, dia ampahany amin’ny ireo harenako manokana. Ao amin’ny fitehirizako dia misy harena tranainy ary misy hafa izay hitako vao haingana, saingy tena sarobidy avokoa izy rehetra eo imasoko. Fantatrao ve fa manana karazana harena ianao?
Diniho izay lazain’ny Baiboly:
“Ary hoy Izy taminy : Koa amin’izany ary ny mpanora-dalĂ na rehetra izay nampianarina ho amin’ny fanjakan’ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin’ny firaketany zava-baovao sy ela. ” (Matio 13:52c).
Ry namako, ianao koa dia manana fitehirizana harena tsy mitsaha-mitombo!
Isan’andro dia mitahiry zava-baovao ho anao Andriamanitra : harena vaovao, fampianarana vaovao, traikefa, fotoana, toerana mahafinaritra… Tiany ianao, ary izany no antony hizarany ny Hareny aminao! Enga anie isika koa hizara izany amin’ny manodidina antsika, ka ho fantsona mitondra fitahiana ho an’ny fiainan’izy ireo.
Ry namako, harena ianao.