đź“Ł Tsara izy ireny, ary vaovao !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | đź“Ł Tsara izy ireny, ary vaovao !

Tsy haiko raha mpitranga aminao ity fa rehefa mihaino mozika aho ka maheno hira vaovao izay tiako dia tsy mitsahatra aho mihaino izany ! Mahavita mihaino in5 na in10 misesy aho, raha tena tiako be ilay izy =) Saingy, na izany na tsy izany, andro vitsivitsy aty aoriana, dia mety ho lasa iray amin’ireo hira maro ao amin’ny lisitry ny hira fihainoko tsotra io hira io.
Indraindray isika dia mora manary ny fientanam-po nananantsika tamin’ny zavatra. Tamin’ny voalohany dia mahagaga sy mahatalanjona ny nahitantsika azy ireny, saingy avy eo dia raisintsika toy ny zavatra tsotra mitovy ny hafa rehetra ihany izy. Ndeha hotandremantsika izany satria mety hitranga amin’ny lafim-piainantsika rehetra, isan’izany ny lafiny ara-panahy. Ny « Vaovao Tsara » izay efa henontsika taona maro lasa, ary nanova ny fiainantsika, dia mety ho toa tsy tsara sy vaovao amintsika intsony ankehitriny.
Ry namako, ny “vaovao tsara” eo amin’ny fiainanao dia tsara kokoa sy vaovao kokoa noho ny hatramin’izay ! Jereo ireo vaovao tsara ao amin’Andriamanitra ho anao, anio (araka ny Lioka 4:18) :

  • Te hanasitrana ny fonao amin’ny ratran’ny lasa Izy.
  • Te hamaha izay mamatotra anao.
  • Hanokatra ny masom-panahinao mba hahitanao.
  • Mba hanome anao ny Sitraka avy Aminy isan’andro, mandritra ity taona manontolo ity.

Waouh ! Mety misy fitahiana ho anao ve ao anatin’io lisitra io ? Eny ary, vonona ho anao ny zavatra rehetra ! Avelao Andriamanitra hanavao anao amin’ny Teniny. Tsy misy daty fahataperany ny fampanantenany ho anao !
Mitondra anao am-bavaka aho ary ato am-poko.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!