✨ « Taona vaovao, fiainana vaovao !!! »
Miarahaba anao ry namako ,
Amin’ny teny espaniola dia fandre matetika amin’ny fiandohan’ny taona ny fomba fiteny hoe “¡Año nuevo, vida nueva!” (Taona vaovao, fiainana vaovao).
Tsy haiko ny momba anao, fa amin’ny ankapobeny, isika rehetra dia mila mamerina ny kaonterantsika tsindraindray ho 0, ary “manary tanteraka ny lasa”.
Ankoatr’izay, isika rehetra dia samy mba tia manana zavatra vaovao avokoa ! Ohatra hoe raha afaka misafidy amin’ny zavatra vaovao sy efa niasa ianao, miaraka amin’ny fepetra mitovy tanteraka, azoko antoka fa hisafidy ilay vaovao tsy misy fisalasalana ianao. Miombon-kevitra isika fa tsy hitovy ny endrikao anaty akanjo vaovao sy anaty akanjo efa nanaovana, tonta sy simba !
Ahoana anefa raha toa ka afaka manao akanjo vaovao isan’andro ianao ? Haiko fa nofinofin’ny maro amin’ireo vehivavy mpamaky ny Fahagagana isan’andro izany 😂(sy ireo lehilahy ihany koa =)
Jereo ny lazain’ny Baiboly momba ny zavatra vaovao : « Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo » (2 Korintiana 5:17).
Matetika io andinin-teny io no entina ilazana ny fotoana nanomezan’ny olona iray ny fiainany ho an’i Jesosy, ka ilazana fa indray mandeha nitranga izany, ary efa tamin’ny andro lasa. Saingy ndao hodinihintsika izay voasoratra ary jereo tsara ireo matoanteny nampiasaina :
- Koa raha MISY olona ao amin’i Kristy (eto ary ankehitriny).
- Olom-baovao izy.
- Efa LASA ny zavatra taloha
- Efa TONGA vaovao ireo. (ankehitriny)
Ry namako, olom-baovao ianao ! Isan’andro dia tonga vaovao ny zavatra rehetra.
Ny fanahiana, ny « complexes », ny tsy fahatokisan-tena, ny toetra ratsy… dia tsy manan-jo hijanona eo amin’ny fiainanao ! Satria efa an’ny lasa izany zavatra rehetra izany. Ialao izany !
Mandritra ity herinandro ity, hijery misimisy kokoa amin’ny antsipiriany ireo zava-baovao nomanin’Andriamanitra ho anao ireo isika. Vonona ny hiaraka amiko ao anatin’izany dia mampientam-po izany ve ianao ?