đ Aoka ho afa-po ianao!
Ny fahalalahan-tanana dia maneho ny fonâAndriamanitra sy ny toetrany feno fitiavana. Ny fahalalahan-tanana tena izy dia manome tsy manantena tambiny, noho ny fifaliana aminâny fankatoavana anâAndriamanitra sy ny fitahiana ny hafa. Ny olona malala-tanana dia mahafantatra tsara izay lazainâny Baiboly hoe: âMahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.â (Asanâny Apostoly 20:35).
Raha ny marina, rehefa malala-tanana ianao nefa tsy manantena ny hahazo valiny, dia hahazo fitahiana mahafinaritra eo aminâny fiainanao. Afaka mijoro vavolombelona aminâizany aho. Niezaka ny ho malala-tanana foana aho teo aminâny fiainako, ary nanao izany tsy tapaka⊠Ary hitako hoe, ombieny ombieny, ny fahalalahan-tanana dia nanokatra varavarana ho ahy ary namela ahy hahavita zavatra tsy noeritreretiko mihitsy.
Taminâny fanolorana ny tenako manontolo ho aminâny fanompoana anâAndriamanitra sy ny hafa, dia afaka niaina fitahiana lehibe izay, tsy isalasalana, nampitombo ahy teo aminâny lafiny fifandraisana, teo aminâny lafiny asa, ara-bola, ara-tsaina, ary indrindra indrindra, ara-panahy.
Tsarovy ity andalan-teny ity izay milaza hoe: âIzay manisy soa olona hohatavezina; Ary mandena dia mba holemana.â (Ohabolana 11:25).
Eny, Andriamanitra manome fahafaham-po ireo izay manampy ny hafa. Mivavaka aho mba hahafahanao mampifantoka ny fonao aminâAndriamanitra sy ny fitahiana ireo manodidina anao, ary ny fitahiany no handrakotra ny fiainanao sy hanambina anao aminâny dingana rehetra ataonao.
Voatahy ianao satria fahagagana.