🕑 “5 minitra fanampiny…”
Efa nitranga taminao ve ireo toe-javatra ireo? Nikasa ny hanoy hatory ianao “5 minitra fanampiny” fotsiny, tsy hainao hoe ahoana fa ilay 5 minitra lany teo am-pandriana tamin’iny maraina iny dia nitombo be dia be… ary tonga saina ianao fa hay natory adiny iray fanampiny !!!
Na koa, nanomboka nijery andiana horonantsary vaovao ianao ka nihevitra ny hijery mandritry ny 10 minitra fotsiny, fa nanjary nijery ny fizarana manontolo ianao !!! Na koa, miteny amin’ny tenanao ianao fa hijery ny tambazotran-tserasera mandritra ny 1 minitra fotsiny, ary ny niafarany dia nandany 30 minitra nijerena horonan-tsary … Ny tena marina efa nitranga tamiko indraindray ireo zavatra ireo … Fa ny tena loza dia rehefa miaraka miseho amin’ny andro iray izy rehetra! Mbola tsy tonga saina akory ianao kay efa maizina ny andro, ary tsy nahavita nanao na inona na inona ianao nandritra ny andro.
Imbetsaka ny Baiboly no milaza fa ilaina ny mampiasa tsara ny fotoanantsika, ary mazoto manatanteraka ny asantsika. Jereo ireo fitahiana ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny fahazotoana:
- Harena: “Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin’ny asany ; Fa mampanan-karena ny tanan’ny mazoto.” (Ohabolana 10:4 ).
- Fahefana: “Ny tanan’ny mazoto no hanapaka” (Ohabolana 12:24).
- Fahasoavana mitobaka: “Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena” (Ohabolana 21:5).
- Fanambinana: “Ny fanahin’ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin’ny mazoto hohatavezina.” (Ohabolana 13:4).
Izany dia miseho amin’ny fiainana tsotra, fa ihany koa amin’ny sehatra ara-panahy. Izaho manokana, nandritra ny taona maro, dia nifoha isan’andro teo anelanelan’ny 4 sy 5 maraina, mba hanana fotoana tsara hifandraisana amin’ny Tompo. Ary afaka manome toky anao aho fa tena sarobidy ny vokatra naterak’izany teo amin’ny fiainako!
Mazotoa mba ho lasa mazoto kokoa! Ny fahazotoana dia manokatra ny varavaran’ny fanambinana amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao.
Eny, mino aho fa hitombo amin’ny fahazotoana ho voninahitry ny Tompo ianao, satria fahagagana ianao.