🚪Mandondona eo am-baravaranao ny fanambinana…

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🚪Mandondona eo am-baravaranao ny fanambinana…

Amin’izao akatoky ny taom-baovao izao dia mifampiarahaba ho : “Tratry ny Krismasy! Sy ny taom-baovao !” isika.
Any anatintsika any, dia misy hetaheta lalina ny ho ambinina, hiroborobo, handroso hatrany, sa tsy izany ? Te hanana fitantanam-bola tsara kokoa, te ho tonga ray aman-dreny tsara kokoa, mety ihany koa hoe, hianatra tenim-pirenena hafa vaovao, hien-danja ny vatana (indrindra aorian’ny Noely…=) ary, indrindra, ny mba hananantsika fifandraisana lalina amin’Andriamanitra.
Ry namako, tian’Andriamanitra hiroborobo ianao. Tsy maniry anao ho voasakan-dalana, voatsindrin’ny olam-piainana ka tsy mahita lalan-kivoahana Izy. Tsia, Andriamanitra te hanome anao ainga vao, te hanokatra lalana vaovao, te ahita anao hanan’elatra sy ahatratra ny tanjona izay napetrany ao am-ponao, amin’ny lafim-piainanao rehetra. Tsy tsara indrindra ve izany ?
Rainao Izy ary mahafaly Azy izay mahasoa anao. Toy izao ny fanazavan’ny apostoly Jaona azy : “Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.” (3 Jaona 1:2).

Eny, malalan’Andriamanitra ianao, ary sitrany ny hampiroborobo anao:
– Amin’izay rehetra ataonao.
– Amin’ny lafin’ny fahasalamana.
– Amin’ny fiainam-panahy.
Ny fiainam-panahinao no moteran’ny zavatra rehetra : raha miroborobo ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, dia ho hitanao fa hilamina avokoa ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainanao, ary hanomboka hiseho tsikelikely eo ihany koa ny firoboroboan’ny lafin-javatra samihafa eo amin’ny fiainanao.
Ry namako, te hanambina ny fanahinao sy ny fiainanao iray manontolo Andriamanitra. Izay no fanalahidy voalohany izay ho zaraiko aminao amin’ity herinandro ity momba ny tena fanambinana izay nomanin’Andriamanitra ho anao. Mivavaka aho mba ho voaloha-laharana ho anao ny fitadiavana an’Andriamanitra ary vokatr’izay, mba ahafahanao manandrana ny fitahiany amin’izay rehetra ataonao. Vonona ve ianao ?

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!