💣Tsy misy fiadiana voaforona hamelezana anao ka ambinina !
Isaky ny misy zavatra tian’Andriamanitra atao eo amin’ny fiainanao, indrindra raha zavatra goavana, ny fahavalo dia hiezaka hanakana izany amin’ny fombany manokana.
Tsy aiko raha efa tojo izany ianao, fa tamiko izany, efa aman’arivony. Isaky ny mampiseho zava-dehibe ao am-poko Andriamanitra, dia tonga avy any daholo ny karazana olana, mba hampihena ny afainganam-pandehako na koa tsy hampifantoka ahy amin’izay sitrapon’Andriamanitra.
Raha jerena ny tranga nahazo an’i Jesosy, ny fahavalo dia efa nahafantatra fa hisy zavatra hitranga, fa tsy hainy hoe inona mazava tsara izany, satria voafetra ihany izy. Andriamanitra kosa, dia manana ny hery rehetra sy ny fahalalana ! Nanana fanahiana ihany ny fahavalo, raha nahita an’i Jesosy tety an-tany, fa ny tanjon’izany dia ny hampitsaharana ny fanjakan’ny haizina.
Izany indrindra no antony, nahatonga an’i Heroda mpanjaka :
– Nanaiky ho tarihin’ny haizina,
– Nampiasa ny fanazavana nomen’ireo Magy
– Namolavola drafitra mba ahafantarany hoe iza ilay Mpanjakan’ny Jiosy,
– Ary efa nanomana mialoha ny famonoana Azy izy.
Hain’Andriamanitra daholo anefa ny zavatra hiseho, ka nahatonga Azy nanao fanambarana tamin’i Josefa tao anatin’ny nofy hoe : Jesosy, Maria ary izy dia tokony mandeha any Egypta. Tamin’izay fotoana izay indrindra ihany koa no nanambarany tamin’ireo Magy fa tokony hiova lalana izy ireo raha hiverina hody any amin’izy ireo, ary tsy mampilaza izany amin’i Heroda.
Rehefa tonga saina ny amin’izany ny haizina, dia indro efa tara loatra, ilay planina ratsin’i Heroda, izay namonoany ny zazakely rehetra feno roa taona na latsaka, dia tsy nisy akony tamin’i Jesosy satria Izy efa voaaro tsara tany an-kafa.
Eny, ny fahavalo dia te hangalatra, hamono, hamotika hatrany, fa araka izay lazain’ny Baiboly dia :”Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an’i Jehovah.” ( Ohabolana 21:30 )
Ry namako, te hanome anao ny fandresena Andriamanitra ! Te hanoro lalana anao Izy mba ahafahanao mandresy ny tetiky ny haizina hiadiany aminao, ary mba ahafahanao miaina amin-kery sy herim-po.
Mivavaha mba ahatanterahan’ity andinin-tsoratra masina manao hoe ity : “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina”. ( Isaia 54:17 )
Mba ahatanteraka izany anefa, averiko indray fa tena zava-dehibe ny famelantsika ny Fanahy Masina hitarika ny lalantsika.