🪴 Andriamanitra manohana ny finoanao!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🪴 Andriamanitra manohana ny finoanao!

Araka ny hitantsika omaly, rehefa mamaly “Eny” an’Andriamanitra isika, dia manomboka miasa amin’ny fomba mahagaga ao anatintsika Izy ary manao fahagagana mba hamaliana ny dingana ataontsika amin’ny finoana.

Rehefa tonga nitsidika an’i Josefa tamin’ny nofy ilay anjely, dia takany fa avy amin’Andriamanitra tokoa izany.

Tsy azony, raha ny marina, ny fomba nahabevohoka an’i Maria, sy ny antony nisafidianan’Andriamanitra izany lalana izany ho azy ireo. Fantany anefa fa nisy anjely nitsidika azy, ary avy tamin’Andriamanitra izany.

Toa an’i Maria, i Josefa dia tsy maintsy nisafidy na izay marina araky ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny vadiny na izay mora momba ny hevitry ny fiaraha-monina.

Nanao ny safidy tsara i Josefa, ary vokatr’izany dia nampitomboin’Andriamanitra ny nofiny sy ny fanambarany. Nasehon’Andriamanitra taminy, ohatra, tamin’ny nofy hoe:

  • Tsy maintsy nandositra nankany Egypta izy ireo, mba ho afaka amin’ny fanenjehan’i Heroda ( Matio 2:13 ).
  • Afaka niverina tany Israely izy ireo satria efa maty i Heroda Mpanjaka (Matio 2:19-20).
  • Tsy maintsy nankany Galilia izy ireo, mba hahatanteraka ny Soratra Masina (Matio 2:22-23).

Eny, rehefa manapa-kevitra ny hanara-dia an’Andriamanitra isika, na dia tsy azontsika aza ny antsipiriany rehetra, dia maneho ny Tenany amin’ny fomba samihafa Izy, ary asehony amintsika mazava ny dingana tokony harahina. Tsy manary antsika ho amin’ny anjarantsika mihitsy Izy !

Izany indrindra no niainan’i Abrahama rehefa niteny taminy Andriamanitra hoe : “MialĂ  amin’ny taninao sy ny havanao, ka andeha ho any amin’ny tany izay hasehoko anao.” (Asan’ny Apostoly 7:3)

Imbetsaka aho no niaina manokana izany : tamin’ny alalan’ny nofy, ary koa tamin’ny alalan’ny fahitana azoko nandritra ny fotoam-bavaka nataoko, na tamin’ny alalan’ny faharesen-dahatra lalina tato anatiko, toy ny fofon’aina malefaka izay nanampy ahy hanao ny dingana manaraka.

Ry namako, manohana ny finoanao Andriamanitra ! Alaviro ny sakantsakana sy ny tahotra rehetra hanaovanao dingana am-pinoana sy am-pahatokiana ! Mijoro eo anilanao Izy, ary hanao fahagagana eo amin’ny fiainanao !

Amin’izao Krismasy izao dia mivavaka aho mba hahafahanao manao dingana amin’ny finoana amin’izay zavatra asehon’Andriamanitra anao, ary ho hitanao ny Tanany sarobidy miasa eo amin’ny fiainanao sy eo amin’ny ny fiainan’ny hafa.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!