🎉 Krismasy mahagaga !
Ny vanim-potoanan’ny krismasy dia fotoana manokana amin’ny taona, izay ahafahantsika miala sasatra kely amin’ny adidintsika ary indrindra indrindra hankafizantsika ny fianakaviana sy ny namana.
Raha ny zava-misy marina dia mahagaga ny niandohan’ny krismasy, satria ny fahatongavan’I Jesosy tety amin’izao tontolo izao dia nomarihan’ny fahagagana nifandimby nandritra ny taona maro.
Tian’Andriamanitra ny manao zava-baovao sy mandrava ny modely, na noforonin’ny olona izany na nataon’ny aizina.
Izy no Andriamanitry ny fahagagana ary, tamin’ny alalan’ny fiavian’i Jesosy tety amin’izao tontolo izao, dia nanomana ny drafitry ny famonjeny ho an’ny zanak’olombelona Izy.
Ahoana raha tsy fotoam-pifaliana sy fifampizarana ho antsika fotsiny ity krismasy ity? Ahoana raha, ho fanampin’izany, amin’ity taona ity, dia ho fotoana ihany koa hahitana ny fahagagan’Andriamanitra ?
Ry namako, te hiasa amin-kery eo amin’ny fiainanao sy eo amin’ny manodidina anao Andriamanitra ! Ary izao vanim-potoanan’ny krismasy izao dia fotoana manokana tena mety ho an’izany.
Izany no antony hoe mandritra ity herinandro ity dia hizara hevitra aminao aho, izay hanampy anao hitondra fiovana manodidina anao, mba hahafahanao miaina ny hery sy ny fahagagan’Andriamanitra amin’ny andavanandro.
Tsy misy fomba tsara noho izany iainana ity vanim-potoanan’ny krismasy ity ary hanomanana ny taona ho avy ! Avelao Andriamanitra hikasika ny fontsika ary hampiasa antsika amin-kery mandritra izao andro farany amin’ny taona izao !
Mandritra ireo andro ho avy manaraka dia mivavaka aho ary mino fa ho fahagagana mihoatra noho ny hatramin’izay ianao ho an’ireo manodidina anao