😊 Mirehareha noho ny aminao Andriamanitra !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 😊 Mirehareha noho ny aminao Andriamanitra !

Anio isika dia tonga amin’ny faran’ity andian-dahatsoratra ity, izay niresaka momba ny fomba ahafahana mahatsapa ny fahafaham-po avy amin’Andriamanitra amin’ny toe-javatra rehetra.
Ny fahaizana mankasitraka ihany koa dia mahakasika fizarana iray tena manan-danja izay mbola tsy voalazantsika, dia ny fahaizana manome fahafaham-po ny hafa.
Isika rehetra dia manana fironana, kely na lehibe, miezaka mampifaly ny hafa avokoa, mampifaly ireo olona manodidina antsika, ary indrindra ireo izay manan-danja amintsika.
Mety ho zavatra tsara izany rehefa voalanjalanja. Izany indrindra no ambaran’ny Baiboly manao hoe : “Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay hahasoa sy hampandroso azy.” (Romana 15:2).
Saingy, rehefa manahy loatra izay heverin’ny hafa isika, ka miezaka manao izay rehetra hampifaliana azy, dia izay isika no manana olana goavana.
Tsy ny hampifaly ny hafa no tanjon’ny fiainantsika fa ny hampifaly an’Andriamanitra. Izy irery ihany no mendrika ny fanoloran-tenantsika sy ny fiankohofantsika ! Izy no Mpamorona antsika, Mpamonjy antsika ary Ilay tsy maintsy hitsara antsika

Nandritra ny androm-piainako dia maro ireo olona nifanena tamiko, izay mieritreritra fa diso fanantenana, tezitra, na sorena mihitsy Andriamanitra manoloana ny hadisoan’izy ireo.
Ireo olona ireo, izay feno fanamelohana ny fony, dia miezaka manompo an’Andriamanitra, saingy manana fahatsapana fa tsy mahafaly an’Andriamanitra mihitsy. Mieritreritra ny tenany ho toy ny voampanga tsy mahomby sy tsy misy fanantenana izy ireo.
Anio dia tiako hofaranana amin’izao eritreritra izao ity andian-dahatsoratra ity : “Efa nieritreritra ve ianao hoe mety ho mirehareha ny aminao Andriamanitra ?
Jereo ny lazain’ny Baiboly : « Fa sitrak’i Jehovah ny olony
 » (Salamo 149 :4)
Eny ry namako, mirehareha ny aminao Andriamanitra ! Na dia eo aza ny tsy fahalavorarianao sy ny fahadisoana izay mety vitanao dia tia anao Izy ary mahafaly ny Fony ianao !
Manasa anao aho anio hanatona an’Andriamanitra amim-pahatokiana tanteraka, hanakaiky Ilay tia anao mihoatra noho ny olona hafa, ary hikolokolo hatrany faniriana lalina kokoa hampifaly Azy amin’ny fonao rehetra. Tena mendrika izany Izy !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!