đ Matahotra ? Izaho ? Tsia ka ?
Rehefa mieritreritra olona faka-tahaka aminâny fananana herim-po, iza no tonga ao an-tsainao voalohany ? Ho ahy manokana, ny azoko sary an-tsaina voalohany dia ireny olona manao asa miafina itantsika aminâny horonan-tsary mihetsika, ireny olona tsy matahotra mitsambikina avy eny ambony fiaramanidina ireny, na mihanika aminâny trano avo be na koa miady aminâny fahavalo 20 isa miaraka =).
Ireny olona izay nahavita asa goavana teo aminâny tantara ireny dia nahavita niatrika ny tahotra tao anatiny.
Ny tahotra dia anisanâny fitaovam-piadianâny fahavalo mahery indrindra : manova ny fomba fijery ho ratsy ary mitondra antsika handray fanapahan-kevitra ratsy ihany koa ny tahotra.
Ny herim-po dia, tsy hoe fanaovana tsinontsinona ny tahotra, fa fiatrehana izany. Ahoana ary ny fomba ahafahantsika miatrika izany ? Aminâny alalanâny finoana.
Izany indrindra no nataonâireo mahery fo aminâny finoana, araka ny voalazanâny Baiboly : â izay nandresy fanjakana tamin’ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan’ny liona, namono ny fidedadedan’afo, afaka tamin’ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin’ny ady, dia nampandositra ny miaramilan’ny firenena hafa.â (Hebreo 11:33-34)
Waouh ! Ny finoany no nahafahanâizy ireny nanatanteraka zava-mahagaga lehibe ho anâAndriamanitra, na dia teo aza ny fahalemeny sy ny tsy fahombiazany.
Eny, ry namako, ny finoana no mahatonga anao hanana herim-po ! Rehefa manana finoana ianao, afaka mandray fanapahan-kevitra ary manatontosa zavatra izay tsy sahinao natao aminâny toe-javatra iray. Horesahintsika izay rahampitso.